La Gazette de la grande ile

Intsy sy Nday : Maty vao ramalala dia tsy miady amam-paty

Publié le 01 avril 2021

Tranga iray tsy azo lalovam-potsiny na hamaivanina eo anivon’ny raharaham-pirenena ny fahafatesan’ny filohampirenena tao aminy, toa ireny fahalasanan’ny Amiraly Ratsiraka ireny. Tsy mahagaga, noho izany, raha maro ny hevitra nipoitra tamin’izy iny, ary mbola miseho hatramin’izao.

Ao ireo avy dia nahatsiaro azy, na tamin’ny lafiny ratsy na tamin’ny lafiny tsara. Nisy ny niezaka nanadino ny nataony na ny vitany fa nametraka avy hatrany ny hoe “filohampirenena teo aloha, ray amandrenin’ny firenena, ka mendrika ho azy ny nanaovana fisaonam-pirenena sy fandevenam-panjakana”. Tsy tokony hatao mahagaga koa fa nisy dia nisy ireo tsy rototra, tsy taitra…satria mbola voasokajy ho “raharaha politika” koa ireny tranga ireny. Izany hoe ny resaka mety hivoitra tamin’ireny dia tsy ilaozan’ny fifaningotana resaka politika.

Fa ny toa ireny tokoa dia ahitana tranga maro. Voalohany indrindra aloha, dia ny fihetseham-po amin’ny maha-olombelona no tonga voalohany. Tsy maintsy nisy ny taitra, dia niteraka alahelo. Nahatsiaro ny lasa sy nihevitra fa “very olo-be ny firenena”. Amin’ny maha-malagasy koa dia nisy ny nisafidy avy hatrany ny hoe “ny Malagasy tsy miady amam-paty ka na inona hevitra tsy nitoviana na inona fomba nifanolanana teo amin’ny fotoana nitantanany ny firenena na tamin’ny fahavelony, dia omena ny haja sy ny voninahitra mifanandrify amin’izany izy”. Teo koa ny nandray ny fihetsika mahazatra hoe “maty vao ramalala”. Izany hoe, fony mbola velona izy, na nitana fahefam-panjakana ka nitondra firenena na tsia, na izy efa tsy mpitondra fanjakana intsony…dia  nohajaina avy hatrany, nomena ny marika maha-razana azy.

Teo ankilan’izany rehetra izany koa, misy ny fomba fijery iray izay nampifandraisina avy hatrany amin’ny tontolon’ny maha-mpanao politika, mpitondra fanjakana teo aloha azy. Izany hoe nitamberina tao an-tsain’ny olona sasany ny nataony, na ny soa na ny ratsy, na ny niteraka tombontsoa na ny nitarika fahavoazana ho an’ny vahoaka sy ny firenena.

Mazava ho azy fa ireo nahatsiaro ny soa nataony sy ny zava-bitany, indrindra fa ireo nahazo tombontsoa taminy, dia saika naneho ny heviny mivantana imasom-bahoaka ny maro tamin’izy ireny. Nisy aza no toa diso tafahoatra indray ny fanindraindrana azy. Fa ireo nahatsiaro fahavoazana kosa, ireo nitondra takaitra, ireo namoy havana, ireo potika fananan na very asa tamin’ny fitondram-panjakana notantaniny, ireo niharan’ny fepetra politika tsy ara-drariny, nampahantra ny vahoaka… dia samy tsy nanadino an’izany rehetra izany. Amin’ny raharaha politika ka rehefa ny firenena no banjinina, hoy ny sokajin’ireto faharoa, dia tsy tokony asiana fihetseham-po fa ampahatsiahivina ny taranaka aza ny  zava-doza vitany.

Dia nisy ny nampahatsiahy fa tamin’ny fotoana mbola nisian’ny fisavana karatra isan-dahy teto dia nalaza ratsy ny tompon’andraikitra iray teto Antananarivo. Izay rehetra voasava karatra ka hita fa tsy nahaloa karatra dia nasaina nanadio ny tsikafonkafona tetsy amin’ny farihin’i Behoririka io.

Rehefa maty izy dia nifamotoana ny olona maromaro vitsivitsy ka naka tsikafonkafona tamin’ny toerana izay nahitana izany. Nahatratra iray fiara (camion) no hita, ka nentin’izy ireo tany amin’ny fasana nandevenana azy tamin’ny fotoana nanaovana ny fandevenana.

Endri-javatra toa izany dia mpitranga ka tsy misy azo omen-tsiny.

Fehiny dia tsotra: Manaova hatrany ny rariny sy ny marina sao sanatriavin’ny vava ka ho tratry ny toa izany (ampiarahana tsikafonkafona).

Ralay

Lire aussi