La Gazette de la grande ile

Hcc : Fanjakam-behivavy

Publié le 02 avril 2021

Nivoaka omaly alakamisy faha 01 aprily 2021 ny anaran’ny olona telo izay notendren’ingahy Andry  Nirina Rajoelina. Ingahy Mbalo Ranaivo Fidel, ramatoa Rakotobe Andriamaro Jaonina Vololoniaina Christiane, ary ramatoa Razanadrainiarison teraka Rahelimanantsoa Rondro.

Lasa fanjakam-behivavy ny HCC amin’izao fotoana izao. Vehivavy 5 ary lehilahy 4 no mandrafitra ity andrimpanjakana ity.

Manaja sy manome hasina ny vehivavy ny fanjakana ankehitriny. Hatramin’ny mpiasa ao amin’ny fiadidiana ny filoham-pirenena, ny minisitra ao amin’ny governemanta, ny governora amin’ny faritra dia maro ny vehivavy mahazo toerana amin’izao fanjakana  izao. Ho fantatra tsy ho ela izany ny filohan’ity andrimpanjakana ity.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi