La Gazette de la grande ile

Asa fanaovan-gazety : Nodimandry i Arsene Ralaimihoatra

Publié le 06 avril 2021

Banga iray indray ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety malagasy sy ny laharan’ny Fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona eto Madagasikara.

Nodimandry ny alahadin’ny Paska teo i Arsène Ralaimihoatra. Mpanao gazety fahiny tao amin’ny Courrier de Madagascar izy, dia Madagascar Matin, dia tao amin’ny Revue de l’Océan Indien (ROI), ary sampan’ny JIR (Journal de l’Ile de la Reunion teto Madagasikara. Mpikambana koa tao amin’ny Fikambanan’ny Mpanao gazety zokiolona (Club des JOurnalistes Doyen)  izy.

Ny alahady ihany dia efa notanterahina ny fandevenana ny nofo mangatsiakany.

Ny fianakaviamben’ny La Gazette de la Grande Ile dia maneho ny fiaraha-miory sy ny fampaherezana ho an’ny fianakaviany.

Ny Fanoratana

Lire aussi