La Gazette de la grande ile

Tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina : Tsy nitsitsy fa nanakantona ireo tsena ny polisy

Publié le 07 avril 2021

Nanombaka omaly no miantra eto amin’ny faritra Analamanga ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina na “ couvre feu ” manomboka amin’ny sivy ora alina ka hatramin’ny efatra ora maraina.

Mbola maro amin’ireo mpivarotra amin’ny alina no misangisangy ka mbola namaha ny tsenany ihany na efa tamin’ny sivy ora alina mahery aza.

Vao nanomboka ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina dia nitety fokontany vitsivitsy ny mpanao gazetinay.

Ny hita sy tsikaritra tamin’izany dia maro no nanaraka ny lalàna napetraky ny fitondram-panjakana.

Etsy andaniny koa anefa dia mbola misy ireo tsy te-hahalala izany fepetra izany fa mbola manararaotra mivarotra ihany.

Raha ny teny Ampasampito kosa indray dia mbola nisy ireo tsena mbola nisokatra.

Tsy nihambahamba fa hentitra tamin’izy ireo ny polisin’ny boriborintany fahatelo ka avy hatrany dia nanakantona azy ireo.

Enga anie ka mba hitohy mandritra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina izao andraikitra noraisin’ny polisin’ny boriborintany fahatelo izao fa tsy sanatria akory ka taitra am-boalohany ihany ny fampiharana izany.

Ny coronavirus andiany faharoa ity dia tsy misangy fa rehefa tsy mitandrina ny hamehana aram-pahasalamana ireo mbola beloha ireo dia ny fahafatesana avy hatrany no valin’izany.

A.M

Lire aussi