La Gazette de la grande ile

Herintaona aty aoriana : Nanjavona tanteraka ny komity loharano

Publié le 10 avril 2021

Ny volana aprily 2020, izany hoe herinandro vitsy taorian’ny nidiran’ny Coronavirus teto Madagasikara no nanambara ny filoham-pirenena fa hatsangana isam-pokontany ny rafitra manokana nampitondraina ny anarana “Komity loharano”. Raha tsiahivina dia rafitra natao handrindra ny ady amin’ny Covid-19 eny anivon’ny fokontany ny Komity loharano, ary natao hialàna amin’ny disadisa matetika mitranga rehefa misy ny fizarana ny tohana na fanampiana ara-tsôsialy ho an’ny mponina. Herintaona aty aoriana, nanjavona tanteraka io komity io satria na fokontany iray aza tsy ahitàna izany intsony eto Andrenivohitra. Ny tena marina aza dia tsy fantatra hoe naharitra firy herinandro na firy volana ihany no niasan’ny komity loharano, ary na ny ady amin’ny valan’aretina aza tsy fantatra hoe inona no tena zava-dehibe vitan’io rafitra io. Tsara ihany ny manipika fa tsy ny fokontany rehetra teto Antananarivo akory aza no nahitàna ny komity loharano noho ny antony maro samihafa. Amin’izao andiany faharoa (2ème vague) amin’ny Covid-19 izao anefa, indrindra fa manoloana ilay endriny vaovao avy atsy Afrika atsimo dia tokony haverina ity komity loharano ity. Raha ny fahitàna ny fokontany mantsy aloha, hatreto, dia tsy misy mihintsy ny andraikitra raisin’ireo tompon’andraikitra fa miraviravy tanana fotsiny manoloana ny tsy fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Ho avy koa mantsy izao, atsy ho atsy, ny karazana fanampiana ara-tsosialy ka araka ny nambaran’ny filoham-pirenena, tamin’ny taon-dasa, dia ny komity loharano no tokony hiandraikitra voalohany an’izany mba hisorohana ny disadisa eny anivon’ny fiarahamonina eny.

F.Tsihiavonana

Lire aussi