La Gazette de la grande ile

Mararin’ny COVID : manavakavaka ny CSB II

Publié le 10 avril 2021

Renim-pianakaviana iray omaly no velon-taraina tamin’ny haino aman-jery tsy miankina iray « TV PLUS » ny fomba ataon’ireo mpiasa eo anivon’ny CSB II.

Nisy olona narary noentin’ity ramatoa ity nilahatra teny amin’ny CSB II Isotry, filaharambe teny vao tonga tany amin’ity vehivavy ity ary nahazo soamatsara izy.

Teny an-dalana handeha hody izy ireo dia nisy tratran’ny soritr’aretina ny olona niaraka taminy, nandeha namonjy tao amin’ny CSB II Anosizato izy ireo dia tsy nahazo fanafody fa hoe “ tsy mipetraka amin’iny faritra iny izy ireo”.

Nomonjy ny CSB II Faliarivo Ambanidia indray izy ireo dia mbola toy izany ihany no valinteny azo.

Tsy misy fanambarana mihitsy hoe tsy maintsy eny amin’ny izay CSB II hipetrahany ireo sendran’ny aretina manontona ireny tobim-pahasalamana ireny fa dia manavakavaka ankitsirano fotsiny ireo mpiasa ao amin’ny CSB II.

Raha eny an-dalana izany no tratran’ny soritr’aretina tampoko ny olona iray dia tsy maintsy handeha eny amin’ny CSB II Misy azy.

Mampalahelo ilay toe-tsaina fa mba ovay!

A.M

Lire aussi