La Gazette de la grande ile

Gripa Espagnole : Nahafaty olona be noho ny covid-19

Publié le 12 avril 2021

Tsara ho fantatra ihany ny mahakasika ny gripa izay nandripaka olona be indrindra teto ambon’ny tany. Ny akaiky indrindra tamin’izany dia ny “gripa espagnole” izay nahafaty olona be dia be noho ny “covid-19” tamin’ny taona 1918. Nantsoina hoe “grippe espagnole-A(H1N1) no niantsoina azy ity. Nahatratra 20-50 millions ny isan’ny olona maty araka ny fanambaran’ny Institut Pasteur. Misy indray nefa ny loharanom-baovao hafa izay milaza fa nahatratra 100 milions no maty tamin’izany. Maherin’ny 200 millions no olona voalaza fa nitondra ny otrik’aretina ity. I Inde, Chine, Europe, ary Etazonia no tena voa mafy. Isan’ny pandemika lehibe tao anatin’ny taonjato farany teo iny.

Naharitra 3 taona (1918-1921) vao nalefaka ity valan’aretina ity, ary toa nijanona hoazy aza raha  ny fandinihana azy.  Ny aretina tratra nantsoina hoe “pneumonie” isan’ny takaitra navelan’ity gripa espagnole ity.

“Virius” ny gripa espagnole, ary mbola “virus” ihany koa “Covid-19” nany “coronavirus” ity izay nahazo ny firenena rehetra manomboka ny taona 2020. Tao anatin’ny iray taona izay 2020-2021 dia 2, 900 millions no isan’ny maty. I Bresil, Etazonia, Erôpa ary  Inde. 130 millions hatramin’izao aloha no fantatra fa mitondra ny otrik’aretina.

Manampahaiza mahakasika ny “virius” indray no milaza fa raha ny fitrangan’ity otrik’aretina ity dia mety haharitra hatrany amin’ny 2023 na 2024 any hoany vao hialefy ny heriny. Hatramin’izao dia mbola tsy nahitana fanafody tena mahomby hiadiana amin’ity “virus” ity ny manapahaizana maneran-tany. Mampihena ny heriny no misy matetika ary ny fanafody entina hiady aminy dia mampitombo ny hery fiarovana ihany hatramin’izay ka hatramin’izao. Eny na dia ny vaksiny fanefitrin’ny aretina ity aza dia mbola miteraka resabe amin’ny firenena sy ny manampahaizana.

Ny tena mahagaga koa amin’ity sesaka gripa ity dia saika tsy mahazo loatra ny  tany afrikanina izy ity fa ireo firenena mandroso sy manankarena no tena voa mafy.

Noho izany dia mbola azo lazaina fa mbola hitohy amin’ny taona 2022 ny valan’aretina ity ary mbola  atahorana hihoatran’izany aza. Nefa na izany aza dia miankina amin’ny fivoaran’ny siansa sy ny manampahaizana izany.

Eo anatrehan ‘izany vinavina izany dia tsy maintsy miresaka ny hoavin’ny fiainan’ny firenena isika satria misy fiatraika be dia be amin’ny amin’ny toe-karena eran-tany izao valan’aretina izao. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia tsy afa-miala amin’izao fahavoazana izao isika ka tokony hiomana avy hatrany amin’ny fiatrehana izany. Ho fatiantoka ny orin’asa maro. Ho maro ny olona ho very asa, ary hidina ny fiharian-karena amin’ny ankapobeny. I Madagasikara izay efa voasokajy ho isan’ny firenena mahantra indrindra eran-tany.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi