La Gazette de la grande ile

Krizy ara-toekarena : Tsy mbola misy drafi-panarenana

Publié le 13 avril 2021

Mandalo krizy ara-toekarena daholo ny firenena rehetra, ankehitriny, noho ny afitsoky ny valan’aretina Coronavirus. Ireo firenen-dehibe no tena voamafy raha mijery ny tarehimarika havoakan’ny Banky iraisam-pirenena mikasika ny tahan’ny harin-karena faoben’ny firenena tsirairay. Mazava ho azy fa voakasik’izany krizy ara-toekarena izany koa i Madagasikara, manaporofo izany ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena izay milaza fa nitombo 1,4 tapitrisa ny mahantra eto Madagasikara, tamin’ny taona 2020.  Manoloana izany toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izany anefa, tsy mbola manana drafitra entina hanarenana ny toekarena ny governemanta. Raha mijery ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia saika manana an’io drafi-panarenana io avokoa ny firenen-drehetra, indrindra fa ireo firenena matanjaka. Any Eoropa ohatra, ady hevitra naharitra volana maro teo anivon’ny Vondrona Eoropeanina ny famoahana vola mitetina 750 miliara Euro hanarenana ny toekaren’ny firenena tsirairay. Any Etazonia, andro vitsy taorian’ny nipetrahan’i Joe Biden tamin’ny toerany amin’ny maha filoha amerikanina vaovao azy, dia mahatratra 1900 miliara dôlara no vola takiany hanavotana ny toekarena. Ho antsika eto Madagasikara anefa, efa vita tamin’ny volana marsa lasa teo ny fandaniana ny lalàna mifehy ny volam-panjakana nasiam-panitsiana (Loi de finance rectificative) kanefa tsy hita taratra tao anatin’izany mihintsy na ny kely aza izay drafitra hanarenana ny toekarena izay. Torak’izany koa ny mpitondra tenin’ny governemanta Lalatiana Rakotondrazafy, na indray mandeha aza tsy nahenoina resaka momba izany mihintsy rehefa miresaka ao amin’ny fandaharana « Tsy ho tompon-trano mihono » ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, isaky ny zoma tolakandro. Ny filoham-pirenena moa rehefa mitafa amin’ny vahoaka Malagasy tsy sasatry ny milaza fa tsy maintsy ho tafavoaka ao anatin’izao krizy izao i Madagasikara ary tsy maintsy mandroso, kanefa tsy mbola fantatra hatreto ny paikady ahafahana manatanteraka izany. Aiza ny politika hanerenana ny sehatra na ny lalam-pihariana tsirairay, indrindra fa ny fizahantany izay tena voamafy tao anatin’izany krizy ara-pahasalamana izao ?

F.Tsihiavonana

Lire aussi