La Gazette de la grande ile

Lavanila malagasy : Indostria vaventy maro no manao hosoka azy

Publié le 19 avril 2021

Amin’izao taona 2021 dia mbola mitàna ny laharana voalohany ny Lavanila avy eto Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, 70% raha ny tarehimarika farany navoakan’ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana. Tsara tsipihana fa eran-tany dia anisan’ireo “arôme” natioraly be mpanjifa indrindra ny lavanila, mbola alohan’ny chocolat. Tato anatin’ny taona vitsy anefa, misedra olana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny lavanila avy eto Madagasikara noho ny fisian’ny indostria vaventy any amin’ny firenen-dehibe manao hosoka azy. Ny zava-misy dia mifaninana mamorona na manamboatra “molécules” hanampiana ny arôme azo avy amin’ny lavanila avy eto amintsika ny indostria “agroalimentaire” maro any ivelany any. Rehefa hamidy eo amin’ny tsena amin’izay anefa ny vokatra dia lazaina fa “arôme 100% naturel de Madagascar”. Mazava ho azy voafitaka amin’izany karazana hosoka izany avokoa ny ankamaroan’ny mpanjifa any amin’ny firenen-kafa satria tena mitovy tsy misy valaka amin’ilay vokatra tena natoraly ireo vokatra tovanana molécule ireo.

Araka ny fanazavana nomen’i Georges Geeraerts, filohan’ny Groupement des exportateurs de vanille à Madagascar, dia  ireo indostria any ivelany manao an’io hosoka io no mahazo tombony fa fatiantoka kosa no haterak’izany trangan-javatra izany ho an’ireo mpandraharaha lavanila eto amintsika. Maro amin’ireo orinasa madinika any ivelany mampiasa na manodina an’io akora io mantsy no lasa manjifa an’ilay arôme efa notovanana molécule satria mora kokoa ny vidiny raha ampitahaina amin’ilay tena natoraly 100%. Marihana fa misy fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa vitsivitsy any Eoropa sy any Etazonia no efa nitory an’ireo indostria vaventy ireo, ary raha ny fantatra dia raharaham-pitsarana maromaro ihany koa no efa mandeha eo anivon’ny fitsarana amerikanina. Antony fitoriana ny fanaovana dokam-barotra diso (fausse publicité). Lazaina ao anaty dokam-barotra hoe « arôme 100% naturel de vanille de Madagascar » no nanamboarana ny vokatra kanefa tsy izany no tena marina fa famitahana mpanjifa fotsiny.

F.Tsihiavonana

Lire aussi