La Gazette de la grande ile

Fihibohana eto Analamanga : Ataovy mazava tsara amin’ny vahoaka !

Publié le 30 avril 2021

Miferinaina indray ny ankamaroan’ny mponina eto Andrenivohitra satria hiditra amin’ny fihibohana tanteraka indray, mandritra ny roa andro. Mazava ho azy fa ireo mponina sahirana mitady izay ho arapaka isan’andro no tena voa mafy kanefa noho ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19 eto amin’ny Faritra Analamanga dia voatery nandray an’io fanapahan-kevitra io ny fitondram-panjakana. Ny zavatra hita sy tsikaritra, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, dia nifamaofao ihany ny zava-nisy tamin’ny fokontany maro nandritra ny tapak’andro maraina noho ny tsy fahampian’ny serasera avy amin’ny manam-pahefana. Tsy nazava tsara tamin’ny  mpivarotra hoe iza avy ireo tsena mahazo mivarotra hatramin’ny 1 ora atoandro, trangan-javatra izay somary niteraka fikorontanana tamin’ny fokontany maro teto Andrenivohitra. Ireo tsena kely (épicerie) ihany no voalaza mahazo misokatra tao anatin’ny fampitam-baovao nataon’ny fanjakana, kanefa nivarotra daholo ireo mpivarotra sakafo toy ny mpivaro-kena, mpivarotra legioma, kafe sy mofo, sns sns.

Ny zava-nitranga tamin’ny ankamaroan’ny fokontany anefa dia tsy navelan’ny mpitandro filaminana nivarotra ireo mpivarotra sakafo ka niteraka disadisa teny anivon’ny fiarahamonina. Hatramin’izay mantsy, izany hoe nandritra ireny fihibohana tamin’ny taon-dasa ireny dia mahazo alalana hivarotra tapak’andro izy ireo satria voasokajy ao anatin’ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavan’andro koa ny sakafo. Raha ny lôjika dia tokony mahazo mivarotra tokoa ny mpivaro-kena sy ny mpivarotra legioma satria tsy ahitàna izany eny amin’ny épicerie. Ny ankamaroan’ny Malagasy anefa dia tsy manana vata fampagantsiahana afahana mitahiry sakafo raha ho vidiana ny zoma daholo ny hanina hoanina ny andron’ny sabotsy sy ny alahady. Maro koa no tsy manana fahefana hanao izany noho ny tsy fahampian’ny vola eo am-pelatanana. Manoloana izany indrindra dia tokony hataon’ny fanjakana mazava tsara ny fepetra sy ny lamina rehetra mihatra mandritra ny fihibohana mba tsy hisian’ny disadisa eny amin’ny fiarahamonina eny.

F.Tsihiavonana

Lire aussi