La Gazette de la grande ile

Betroka : Dahalo 3 matin’ny olona tao Bema

Publié le 04 mai 2021

Miverina indray ny asan-dahalo ao amin’ny distrikan’I Betroka. Ny asabotsy faha 01 may 2021 lasa tokony tamin’ny 4 ora maraina dia nanafika tao amin’n y tanàna Ambondro, fokontany Bema, kaominina Kelivaho ny dahalo izay miisa tokony h o 60 lahy. Toerana miala  80 km ao atsinanana avaratra ny renivohitrin’ny distrika no misy azy ary maifanila amin’ny distrikan’I Akora.

Toerana malaza be amin’ny asan-dahalo ity toerana ity. Efa nilamina nefa izay ny teo aloha teo.Miverina ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao. Raikitra ny fifandonana ka dahalo telo no maty. Isan’izany ny tovolahy iray avy ao Andranomanga avy ao Ranotsara Nord amin’ny distrikan’i Iakora.Ny iray hafa dia avy ao Taperapia ao amin’ny distrikan’i Betroka , ary ny iray faha telo dia avy ao  Ambondrokidy,  kaominina   Tsaraiko.

Amin’izao fotoana izao dia miomana ny hanao valifaty ny dahalo ireto. Mitaintaina mafy ny mponina any an-toerana. Noho izany dia manaitra ny mpitondra hijery ity raharaha ity.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi