La Gazette de la grande ile

Tsy fandriampahalemana : Mirongatra be ny asa fampihorohoroana

Publié le 06 mai 2021

Tena miharatsy andro aman’alina ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Mampanahy mafy ny fivoaran’ny asan-jiolahy antanàn-dehibe, ny asan-dahalo, ny “kidnapping” na  ny  takalonaina izay tsy nijanona teto a an’ Antananarivo sy Toamasina ihany fa tonga hatrany faritra hafa.

Niitatra any ambanivohitra ity raharaha ity tao anatin’ny taona vitsivitsy izay ka nanao takalonaina indray ny dahalo. Isan’ny lasibatra tamin’izany ny faritra Betroka sy Iakora ka hatrany Ankazoabo sy Beroroha. Tamin’ny taona 2017-2018 dia tsy hay tenenina intsony ny takalonaina na ny “kidnapping” tao amin’ny faritr’i Menabe sy Fianarantsoa ka ao Malimbandy sy  Mahabo nisy ny foibeny. Tonga hatrany Mandrosonoro sy Amborompotsy ka mipaka hatrany Ikalamavony. Nantsoina hoe “firambany” izany “kidnapping” izany.

Tao anatin’ny efatra taona izao(2017-2021) dia lasibatrin’ny fanaovana takalonaina koa ny faritanin’i Mahajanga ka i Betsiboka no nisy ny foibeny izay nandripaka olona maro tany  amin’ny distrikan’i Tsaratanana sy Maevatanana. Tonga hatrany Breville izany any amin’ny faritra Alaotra Mangoro.

Ny olona sivy ao amin’ny distrik’ Anjozorobe, Andilamena  ka tonga hatrany Tsaratanana amin’ny faritra Betsiboka no tratran’ny takalonaina izao. Tsy vitan’ny manao “kidnapping” izy ireo fa mandoro trano sy manao habibiana ka manolana vehivavy  sy mandoro trano koa.

Mizotra mankany amin’ny asa fampihorohoroana i Madagasikara noho izany. Miparitaka izay tsy izy ny basy mahery vaika toa ny Kalaky sy ny “mas 36” ary ny basim-borona “clibre-12 sy 16”.  Miroborobo izay tsy izy ny “basigasy”.

Mandehabe ny resaka ny taona 2013 iny ny fidiran’ilay  fitaovam-piadiana iray kaontenera izay tsy hita ny nanjavonany. Misy ihany koa ny fampidirana basy kalaky vita sinoa antsokosoko izay hita niparitaka tamin’ny distrika maro ny taona 2016-2018 iny ka isan’ny nahitana izany Ambatofinandrahana sy Ikalamavony.

Mizotra any amin’ny fampihorohoroana toa ny asan’ny silamo mahery fihetsika sy  ny  “Al-Qaida” ary ny “boko-haram” ny raharaha misy eto Madagasikara izao.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi