La Gazette de la grande ile

Tsaratanana : Zazalahy kely 14 taona nalain’ny dahalo an-keriny

Publié le 12 mai 2021

Mpianatra avy any amin’ny kaominin’i Brieville, distrikan’i Tsaratanana no nisy naka an-keriny tany amin’ny kaominina Morarano Chome, distrikan’Amparafaravola, ny alin’ny alahady teo. Tokony ho tamin’ny 7 ora hariva no nisehoan’ny tantara, jiolahy miisa 4 mirongo fitaovam-piadiana no naka ankeriny ilay zazalahy tao antranony. Nihetsika avy hatrany ny mpitandro filaminana nanomboka hatramin’ny alahady alina io saingy hatreto dia mbola tsy nahita mangirana. Fantatra fa volabe 25 tapitrasa ariary no takin’ny jiolahy amin’ny raiaman-drenin’ilay zazalahy.Tsy vao izao no nisian’ny fakana ankeriny tany amin’ny faritra iny fa efa matetika saika avotra ihany ny aina tamin’izy ireny fa ny vola hfanakalozana no mazana votsitra.Andrasana ny vokatry ny fikarohana satria mbola mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao

Lalao.R

Lire aussi