Publié le 12 mai 2021
Higadona rahampitso alakamisy faha-13 may ny tsingerin-taona faha-49-n’ny Tolom-bahoaka tamin’ny 1972. Toy ny fanaony isan-taona dia hametraka fehezam-boninkazo etsy amin’ny Kianjan’ny 13May etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena etsy Analakely ny Fikambanana May 72 tarihin’ny Me Razafinjatovo Willy “Olala”.
Raha ny fantatra dia hanomboka rahampitso koa ny hetsika rehetra hoenti-manamarika ny faha-50 taonan’ity hetsi-bahoaka nahabe voninahitra ny vahoaka Malagasy tamin’ny 1972 ity, izay hotsarovana mandritra ny herin-taona. Isan’ny hisokatra rahampitso faha-13 May 2021, ohatra, ny Seha-pifandraisana sy fifampizarana ary fanovozan-kevitra mbamin’ny fanehoana ny antontan-tahiry mirakitra ny Hetsi-bahoaka 13 May 1972 (Facebook).
Tsetsatsetsa tsy aritra no anamarihana fa iray amin’ireo fanoitran’ny Raharaha May 1972 ny Filoha sady Tale jeneralin’ny La Gazette de la Grande Ile, Lola Rasoamaharo, satria izy no iray tamin’ireo naka ny vatana mangatasiakan’I.lahy Modeste, tanora mpianatra tany Ambalavao, izay isan’ny nampirongatra ny hatezeram-bahoaka satria voaporofo fa novonoin’ny herim-pamoretan’ny fitondrana Pisodia I.lahy Modeste.
Ralaisoava