La Gazette de la grande ile

Fihobohana Vakinankaratra : Atsaharo ny fanavakavahana !

Publié le 21 mai 2021

Mbola tsy misokatra Vakinankaratra fa mbola ao anaty ady manoloana  fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19. Tao aorian’ny resaka nataon’ny praiminisitra, ny Alahady farany teo, dia mbola tsy nanao fanambarana ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao. Mbola mikatona tanteraka Vakinankaratra , ankehitriny,  kanefa tsy mahasakana ireo mahitahita ivoaka ny faritra izany. Etsy ankilany, maro koa ny trano fivarotana  minia tsy manaraka ireo fepetra napetraka,  asa raha efa misy fifampiraharahana eo amin’ny roa tonta,  izany hoe eo amin’ireo tompom-barotra sy ny mpitandro filamana satria  hatreto aloha dia hita ampahibemaso ny tsy fanarahan-dalàna, indrindra fa ny ao Antsirabe I.  Maro ny  bara misokatra mandray olona foana nefa voalaza fa tsy voaràra ny fisokafan’izany.

Efa matetika resahan’ny olom-pirenena amin’ny tambazotran-tserasera ireo voalaza rehetra ireo, saingy tsy hita izay tena andraikitra raisin’ny tompon’andraiki-panjakana na ny mpitandro filaminana fa mitaza-potsiny izy ireo. Hita mivezivezy eran’ny tanàna ihany ny mpitandro filaminana manakatona bara sy  karaoke kanefa  misy ny sasany no tsy akatona jerena fotsiny.  Mapametram-panontaniana ny vahoaka maro ny zava-misy, ary efa malaza be aza ny hoe rehefa manolotra kely ny mpivarotra dia afaka tsy manara-dalana avokoa ny mpivarotra. Izany fanavakavahana izany anefa no miteraka fahasorenana ho an’ny mponina sasany ka mahatonga ny korontana hitranga.

Haingo R

 

Lire aussi