Publié le 10 juin 2021
Orinasan-gazety : Misaona ny La Gazette de la Grande Ile
Amin’ny alahelo lehibe no hilazana amin’ny mpamaky, ny tapaka sy namana rehetra fa misaona indray ny orinasa La Gazette de la Grande Ile noho ny fahalasan-dRandriamampianina Rasoamaharo Aiko Mattis, izay tsy iza fa zanaka lahin’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa, Lola Rasoamaharo, sy ny mpiara-mitantanana ny orinasa Aiko Production, Niry Randriamampianina. Omaly alarobia no nidaosin’ny fahafatesana ny malalanay Randriamampianina Rasoamaharo Aiko Mattis rehefa nivahiny 14 taona teto an-tany. Ny mpiara-miasa rehetra ato amin’ny La Gazette de la Grande Ile dia mirary fiononana feno ary mankahery ny fianakaviana iray manontolo. Soavadia !