Publié le 10 juin 2021
Tezitra i Ramatoa Rabertine. Nisafoaka. Nitrerona. Nijery an-dRazefa vadiny izy, ka nanao farateny hoe :
– Manomboka anio dia TSY HIARA-MIPETRAKA AMINAO INTSONY AHO !
… Nitsangana ingahy Razefa. Nosokambininy i ramatoa, ka nobitsihiny moramora hoe :
– Rehefa TSY HIARA-MIPETRAKA, ary, isika ry malala tsy foiko, DIA AOKA HIARA-MIJORO INDRAY !
… Toran’ny hehy tamin’ity teny tsy nampoiziny ny anao vavy, ka niverina indray ilay fifankatiavana, sady tao anatin’ny FETIN’NY RENY indrindra io andro io.
Zone contenant les pièces jointes