La Gazette de la grande ile

Politika : Sao dia tokony ho foanana ny sénat sy ny depiote

Publié le 24 juin 2021

Tsy misy akony amin’ny fiainan’ny Malagasy mihitsy amin’izao fotoana izao ny fandrafetana lalàna ataon’ ny depiote sy ny senatera hatramin’izao. Lalàna tsy mijery ny tombotsoam-bahoaka no mivoaka hatramin’izay. Miendrika fiarovantenan’ny depiote amin’ny aferasfera sy ny fanany ihany no tsapan’ny vahoaka na miaro ireo namany.

Raha mijery ny zava-misy ankehitriny isika dia tsapa fa ratsy dinika ny lalàna atolotrin’ny depiote holaniana ao amin’ny antenimiera roa tonta. Tsy misy  fijerena ny tombotsoam-bahoaka. Matetika dia tsy depiote mpanangatanana fotsiny ihany no hita. Maro amin’ireo depiote sy senatera no tsy miraharaha ny asany intsony. Matetika dia tsy mivory izy ireo. Be vava sy be resaka fotsiny rehefa manao propagandy.

Marobe ankehitriny ny vahoaka Malagasy no tsy mahatsapa nyantompisian’izy ireo. Fanjakazakana sy fizahozahoana no hita ataon’izy ireny. Ny fitsarana no mahazo tsiny sy soketa noho ny lalàna ratsy tefy avoakan’izy ireo.

Hatramin’izao aloha dia tsymahatsapa ny fampandrosoana entin’ny mpanao lalàna ny vahoaka.Raha ny sata mifehy azy ireo no asian-teny dia ny mifanohitra amin’izany no hita fa ataon’izy ireny eny amin’ny fiaraha-monina. Miandraikitra ny asan’ny mpiasam-panjakana matetika. Manao ny asan’ny governemanta  ary miiady mpanao ny tetikasam-pampandrosoana indray mazana. Hatramin’ny asan’ny mpitandro ny filaminana no ilingilingian’izy ireo.

Manakorontana ny fiaraha-monina mazana satria ny hiady ny “marché public” na ny tsenam-panjakana no tena mahamay azy rehetra any amin’ny distrika nihaviany any. Lasa ankilabao ny vanaovan-dalana min’ny depiote sy ny senatera hatramin’izao. Izany no tsapa, hita  fa ataon’ireo olona ireo, ka mahatonga ny resaka mandehabe ankehitriny fa sao dia tokony ho foanana koa ireo depiote sy senatera ireo.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi