Publié le 01 juillet 2021
Sendra nivahiny tao amin’ingahy Razefa i Rabe. Efa fotoam-pisakafoana indrindra tamin’izay. Tsy maintsy hisakafo ny mpianakavy. Dia naroso ny sakafo. Tsy hay ny nahazo ity alikan-dRazefa tompon-trano, fa dia nivovo tsy nisy hoatrizany.
– Mba alika masiaka koa izato alikanareo izato, r’ingahy Razefa a ! hoy Rabe.
– Tena alika tsy masiaka io, Rabe, fa mety tezitra fotsiny angamba !
– Tezitra ahoana ?
– Iny TAOLANA noraisinao iny no mety mampivovo azy !
– Fa ahoana ?
– Ka TAOLANA tokony ho azy, manko, iny !
– ???