La Gazette de la grande ile

Fifamoivoizana Antsirabe : Baranahany tanteraka ireo fiara mifamezivezy

Publié le 01 juillet 2021

Maro ny fiara mifamezivezy eto amin’ny faritra Vakinankaratra ary tsy mitsaha-mitombo isa izany isan’andro. Tsikaritra anefa tato ho ato,  indrindra nanomboka tamin’ny fisokafan’ny lalana fa maro ireo fiara niharan-doza ary saika namoizana ain’olona matetika.  Ny fitaterambahoaka no manao ny ataony,  hany ka lasa mampitaraina ny mpandeha tongotra mpampiasa lalana, mirifatra mandeha mafy eran’ny lalana ireo Taxibe,  mifanenjika tsy mahatsiaro intsony ny ain’ireo mpandeha entiny na ny ain’ireo mpampiasa lalana. Hita miharihary ihany koa fa tsy manaja ny toeram-piantsoanan’ireo Taxibe fa dia mijanona amin’izay tiany hijanonana. Manao ny ataony koa ireo fiara fitateram-bahoaka mampifandray an’Antsirabe sy Betafo. Hatraminy nisian’ny hamehana ara-pahasalamana dia nifanarahana fa atao 2000Ar ny saran-dalana ary olona 3 no miara-mipetraka. Amin’izao anefa , tsy manaja an’io fifanarahana natao io ny ankamaroan’izy ireo.  Ny mahagaga dia misy mpitandro filaminana avokoa manara-maso ireo fiara manao fitateram-bahoaka eto Vakinankaratra, saingy odian’izy ireo mitapy izany tranga tsy fanarahan-dalana maro miseho izany.

Haingo.R

Lire aussi