La Gazette de la grande ile

Fampianarana : Iray volana ihany ny fialan-tsasatra lehibe

Publié le 01 juillet 2021

Efa mikarakara ny fidiran’ny mpianatra amin’ny taom-pianarana 2021-2022 ny sekoly eto Madagasikara. Samy manana ny fidirany ny sekoly tsirairay avy amin’ity taona vaovao ity. Ny sekolim-panjakana dia mahazo fialan-tsasatra roa volana ny mpianatra any amin’ny EPP. Ny volana jolay sy aogositra ity izany satria dia miditra ny voalohan’ny volana septambra2021 izy ireo. Ny CEG indray dia aorian’ny BEPC amin’ny faha 22 jolay2021, nefa dia ny 1 septambra 2021 no miditra.

Ny sekoly tsy miankina maro dia ny antsasakin’ny volana jolay no mamarana ny fotoam-pianarana ity. Ny volana septambra avokoa izy rehetra ireo no miditra mianatra indray raha ny fahitana ny fandaharam-potoana avokan’izy ireny.

Misy ny tetiandro izay navoakan’ny ministeran’ny fampaianarana momba ny fidirana manomboka ny 1 septambra 2021 izao ary mizara 2 volana isany izany arapahatongan’ny volana jona 2022.

Mitaky lamin’asa mirindra izany na ara-potoana na ara-materialy ary indrindra fa ara-pedagojia. Ho hitan-tsika eo ny  fanatanterahana ity.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi