La Gazette de la grande ile

Fanirisoa Ernaivo : Zatra milalao fitombenana sy diky loatra ka miampanga-tena

Publié le 28 juillet 2021

Aza taitra ianareo mpamaky fa izaho Jeannot Ramambazafy mihitsy no mampamoaka io sary io. Io sisa no any fiarovan’i Fanirisoa Ernaivo tsy mahatanty ny fahamarinan’ny lahatsoratra soratako. Maro ireo tohina, na havana, na taranaka, na nanamana sy tapaka maneran-tany sy eto an-toerana. Ary vonona ny hamaly ao anatin’ny facebook RMDM France. Nanara-dia an’i Fanirisoa koa ireo milaza fa Malagasy tia tanindrazana mialokaloka atsy La Réunion namoaka io sary io. Aza misy mihetsika fa izay no tadiavin’ireo. Aleho izaho mihitsy no mamaly. Tsy hoe mamaly faty tsy akory fa hampihiratra ny mason’ireo manoranora-poana tsy mahalala izay ambonin’ny tany fa faly fotsiny ny hiteny ny hafa. Andao ary.

Fa maninona moa no tonga dia i Fanirisoa Ernaivo no tondroko tompon-kevitra io resaka miampy sary maloto momba ahy io ? Tsotra : tadidio ny vavabeny nataony tamin’izy nanonona ny zanaky ny Filoha Rajoelina hoe mpifoka rongony. « Cocaïne » mihitsy hoy izy tao anatina vidéo iray nivoaka ny 22 febroary 2021. Ity manaraka ity ny fehezanteny nampiasainy tamin’ny teny frantsay, izy izay mialokaloka any Frantsa amin’izao fotoana izao : « On va pas vous laisser comme ça, on va vous traquer jusque dans vos chiottes aussi ! ». Nahare izany ny Frantsay mandinika maro ka niloa-bava hoe : « Quelle triste vulgarité de la part d’une ex-magistrate !». Asaivo adikany io. Ny 17 Jolay 2021, teo amin’ny Kianjan’ny Repoblika ao Parisy, dia mbola naverina tsy nahy indray io teny « chiottes » io mikasika ny EPP manara-penitra hamboarin’ity fitondrana ity.

Tena kalakely (satria 42 taona izy raha 67 taona aho) efa zavatra milalao fitombenena tokoa (na izay vadiny aza toa tsy voahisany intsony, raha misy izany). Fa ahoana hoy ianareo ? Fa avy aiza moa ny diky ary aiza no hamoahana azy ? Ny W.C. koa anie azo adika amin’ny hoe trano fivoahana e ! Efa jamban’ny fankahalana sy ditsoky ny fahamarinana izay manindrona (« la vérité blesse ») hany ka tsy misaina firy intsony. Na ny lokon’ilay fono tànana («gant») aza mavomavo toa ilay akanjo nanaovany eo amin’ny sary. Manga anefa na mainty no tena lokon’ny «gants» amin’io asa fanadiovana io… Ary izaho tsy hanao fono tànana mihitsy eto hamaly azy (« je ne vais pas mettre de gants pour lui répondre ici»). Io toetra fanaovana tsinontsinona olona io ihany nefa no naha voaongana azy teo amin’ny toerana naha Mpitsara azy nefa mba filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) mihitsy i kalakely.

Sao ho lazainy indray fa ny lahatsoratro no nahatonga izany. Tsia, ry mpamaky hajaina, fa ny mpanao gazety malagasy rehetra izay nitatitra ny ompa nataony tamin’ny mpitandro filaminana tao Mahamasina, ny 30 Okotobra 2021. Andao averiko eto satria Tantara mipetraka tsy ho voafafa mandrakizay.

Rehefa nahita mpitandro filaminana maro teo Mahamasina ity kandida laharana faha-24 natolotr’izany ZAM-PATRAM (Zanak’i Madagasikara-Parti Travailliste de Madagascar) tsy fanta-piaviana izany, tamin’ny fifidianana ho filohampirenena ny taona 2018, dia izao no teniny (misy vidéo ireo) : « Inona no mahatonga ny miaramila zato arivo haverina eto? Satria tsy misy dahalo intsony any ambadika any ? Satria tsy misy mpandroba intsony any ambadika any ? Maninona any amin’ny famoriam-bahoakan’ny laharana faha-13 no tsy misy an’izao ? Ekeko fa tena hoe baiko ny anareo fa mba misaina ihany ! Aiza moa ianareo no tsy hovonoin’ny olona ? Saika nalahelo ihany aho nahita ireo polisy nototain’ny olona vato malao. Mampite-hiteny hoe tsara ho azy izay. Tena marina ary mbola hahazo anareo rehetra izany. Hozoniko mihitsy. Tena nalahelo aho nahita ireo polisy telolahy nozeran’ny olona vato. Fa inona no mahatonga izany? Izao ataonareo izao. Mampahatezitra olona ny zavatra ataon’ny miaramila, ny polisy, ny zandary. Rehefa tsy faly tongava eto, dia sambory aho fa mbola ho hitanareo izany ».

Tohina tanteraka tamin’izany ny Malagasy maro an’isa fa mpandainga izay milaza zavatra mifanohitra amin’izany. Ireto filazana roa ireto avy amina olona tsotra, taorian’ireo voalazan’i Fanirisoa Ernaivo, no mahafintina ny ao an-tsain’ny Malagasy. Voalohany : « Tsy ianao mihitsy no tokony hananatra e ! Faikan’olona tsy mendrika ny hisolo tena na ny vehivavy na ny reny. Raha ny zakain’ny mpitandro filaminana noho ny ataon’ny mpitsara no tantaraina tena loza, ianareo mihitsy no olom-boahozona ! Jereo ny rapports ny transparency rehetra e : ny magistrats foana no mitana ny première place @ corruption. Tsy izany magistrat judiciaire izany mihitsy no tokony anozona sy hananatra olona @ éthique sy déontologie ! ». Faharoa : « Tsy fanao ny miady @ maty. Mazava ny teninao @ vidéo teny gasy mazava ary hentitra ny teninao. Ka fialantsiny inona koa no ataonao ?? Mandehana any @ toerana fonenan’ireny Polisy maty ireny ianao dia atovy ny fialantsininao dia ho hitanao ny tohiny. Na koa mandehana miasa @’iny province Tamatave iny ianao dia ho voaray ny fialantsininao. Hahita ianao any fa mahalala anao daholo ny olona. Farany : Filoham-pirenena no ilatsahanao kandida dia ireny ny fiteny ataonao. Afa-baraka ny Firenentsika nilatsahanao kandida ». Nahazo ny notadiaviny izy, rehefa naato tamin’ny asany ny 31 oktobra 2018, na dia nanao « excuses hypocrites » aza : ny 7 novambra 2019 izy dia voadaka tsy ho mpitsara eto Madagasikara intsony. Tsy misy kabary izany satria tsy neken’ny « Conseil d’Etat » ny nampiakarany ny raharaha. Dia iny izy tsy hita intsony.

Izao indray, vao nivoaka ny lahatsoratro momba azy sy ny orinasany ADM («Fanirisoa Ernaivo et ADM. Malagasy Escort Girls?», «La Gazette de la Grande île» tamin’ny sabotsy 24 jolay 2021) dia tsy fantany intsony izany «droit de réponse» izany fa ao amin’ny Facebook no mampiseho ny aromontany ka tena mahay mamorona ny fiainako tokoa, afak’omaly. Avelao hino izay te-hino. Ny tsy fantany dia vao mainka hampalaza ahy izany. Hanao dokam-barotra azy atao. Ity nanjary «publicité gratuite». Hamaky ahy daholo na ny tsy mpamaky aza. Misaotra e ! Fa na izany na tsy izany, tsara aloha rehefa mahatsapa fa hoe « ex-ivrogne ». Satria tokoa nanomboka ny taona 1999 ka hatramin ‘izao aho no tsy misotro zava-pisotro misy alikaola, na divay, na labiera, na roma, na whisky izany.

Ity ny lohateny nampisehoany ny fahaizany mamafy lainga sy mamorona tantaram-piainan’olona : « Jeannot Ramambazafy : un ex-ivrogne renié par son propre enfant ». Tena teny frantsay. Raha io aloha dia aleho mihomehy tanteraka. Mila mijery sy mihaino tsara ilay fandaharana « Misy raha La Terre » niarahana tamin’i Tompokolahy Ikotoniaina, tamin’ny 14 marsa 2005. Ao aminy Youtube izy io. Soa fa misy ny tahiry ho an’ny taranaka. Ity manaraka ity ny adiresy amin’ny Internet ho an’izay tia fahamarinana : https://www.youtube.com/watch?v=WYnta1ldR5o

Mikasika ny hoe « renié par son propre enfant » dia ao anatin’io vidéo io no misy ny zava-nisy marina. Fa nisy koa ny hoe : «Ny fanaratsiana sy ny diabolisation no tena kapoakan’i Papi. Tsy izany anefa no atao hoe fanaovan-gazety. Ka vitsy ireo patrons de presse nety nampiasa azy. Mandray felaka etsy sy eroa noho izany no nivelomany nandritra ny taona maro. Anisan’ny journalistes alimentaires nalaza indrindra izy ».  Misy raha tokoa La terre. 17 taona aho no niasa tao amin’ny Madagascar tribune (1988-2005). Tsy makorelin’asa aho akory, ary ny tena mahalala ahy no aoka hilaza mikasika izany « felaka » izany. Aleoko matikambo toa izay tsy mana-kambo. Tsy misy izay tsy mahalala izany foto-kevitro izay- ary ampiariko- ny mpanao gazety tena mpanao gazety malagasy. Eny na ireo namako any Andafy any aza.

Fa mikasika ilay andininy namaranany ilay lahatsoratra navoakany ao amin’ny facebook RMDM France, dia izao : « (…) Ny tena mampalehelo aminy dia, rahatrizay ka miongana Rajoelina ka hisy ny fandosirana, dia tsy mba anisan’ireo ho tafiditra ao anaty avio izy satria… famafana gabone fotsiny. Dia hiverina ho clochard indray ». Oadray ! Fa izy Fanirisoa Ernaivo aloha izao no nitsoaka any Frantsa tsy misy mpanenjika fa mahana ny ratsy nataony. Teto Madagasikara aho no teraka, eto Antananarivo aho no monina ary eto amin’ny tanindrazako aho no hilevina rehefa maty. Inona no antony tokony handosirako ? Efa tamin’ny repoblika voalohany nentin’i Didier Ratsiraka aho no mpanao gazety ; nandalo Zafy, niverina Ratsiraka ; nandalo Ravalomanana, nandalo Rajaonarimampianina ary izao dia Rajoelina no filohampirenena voafidy mitondra ny Repoblika malagasy faha-dimy. Mbola mpanao gazety ihany aho. Ny taona 2001 aho no nanoratra voalohany tao amin’ny madagate. Izany hoe efa 20 taona amin’ity taona 2021 ity. Eto amin’ny « La Gazette » moa dia… fantaro na mahaiza mamorona.

Fa taiza ity Fanirisoa Ernaivo ity tamin’izany fotoana rehetra izany ? Mbola tsy nahay mivoaka any amin’ny gabone, araka ny voalazany, satria mbola zaza tsy nahay nifitra ! Ary dia mbola mitohy izany hatramin’izy 42 taona izao. Io no mahatonga azy tia ilay teny hoe « chiottes ». Farany : «Clochard» amin’ny ahoana koa ? Matory tsara aho amin’ny alina, tsy mitoditodika sy mahana rehefa eny an-dàlana. Izay ora tiako iasana no iasako. Milalao amin’ny zafikeliko aho satria ireo no tena harena fa tsy izay fisehoana ivelany. Iza no milaza hoe sambatra noho izaho, amin’izao faha-67 taonako izao (afaka andro vitsy) ? Tsy misy manana ny ampy akory eto an-tany. Fa ny tsy ampy saina no mampahonena tanteraka. Hey ! Mba fantatrareo ve fa ho faty tanora tapaka lalan-drà ianareo manara-dia azy ? Tsia ? Andao ary kouh… Mafy anie ny fiainana any Andafy e ! Indrindra amin’izao fotoana izao.

Farany dia farany. Misy ny ohabolana malagasy milaza fa aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga. Fa ity Fanirisoa ity anie ry zareo sady mamosavy ny tenany ihany amin’ny vava ratsiny sy teny tsy voahevitra no mamorona tantaram-piainan’olona fa tsy vitan’ny mandainga e ! Asaivo tantarainy anie ny nataony an’Ikotompokolahy Rabendrainy Ramanoelison, minisitry ny Fitsarana taloha e ! Raha sahy ka tsy matahotra « fantômes »…

Jeannot Ramambazafy

Lire aussi