La Gazette de la grande ile

Lavamaso

Publié le 29 juillet 2021

– Efa azo lazaina hoe mananika ny TAONA MASAKA ihany ianao, anaka ! hoy ireto ray aman-drenin-dRabertine. Ny hendry ihany, hono, anaka no hanarina. Tsy manakana anao tsy hiaraka amin’izay olon-tianao izahay. Nefa TANDREMO ANAKA, izao anatra omenay anao izao, dia aoka tsy hisy ho raraka an-tany !

– Inona izany, ry dada sy neny ?

– Izao, anaka : Aza mety ho TSINDRIN’IZAY LEHILAHY miaraka mainao mihitsy ianao !

– Fa maninona ?

– Henoy tsara, àry : Raha ho tsindrin’ny lehilahy ianao dia izao no ahazo anao : Mandritry ny sivy volana dia harary foana ny kibonao !… Ka tianao, ve; izany ?

– Dia ahita loza izany, ry dada, ilay Zefa… Zefan-doza iny !

– Fa ahoana, anaka !

– K’izaho no tadiaviny hoe HO TSINDRIANA, hono !… Fa ahita loza iny izao !

– Loza ahoana ?

– K’izy misisika foana hoe ho tsindriany, hono, zà!… Dia hoy aho taminy :”ALEO ZAHO NO MANINDRY AN’TY!”… Fa VITA ry dada sy neny a !… HARARY FOANA NY KIBON’ILAY ZEFA INY MANDRITRY NY SIVY VOLANA E ?

– ???

Lire aussi