La Gazette de la grande ile

Governemanta : Aotra ny serasera !

Publié le 31 juillet 2021

Mbola mitàna ny sain’ny mpanara-baovao, ankehitriny, ny raharaha fanonganam-panjakana sy ny fikasàna hamono ny filoham-pirenena. Raha tsiahivina dia ny tonia mpampano lalàna eo anivon’ny fitsarana ambony no nanao fanambarana voalohany namoaka ny vaovao, ary andro iray taorian’izay dia ny minisitry ny filaminam-bahoaka no nitafa tamin’ny mpanao gazety, nanamafy ny fanambarana nataon’ny tonia mpampano lalàna. Herinandro mahery aty aoriana, tsy nisy intsony ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana mikasika ity raharaha fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena ity fa ny mpanao gazety no mamoaka ny vaovao trandrahan’izy ireo. Etsy ankilany, miparitaka any anaty tambazotran-tserasera sôsialy ihany koa ny vaovao diso sy ny tsaho isan-karazany ka lasa mampisavorovoro ny saim-bahoaka. Fanina tanteraka ny mpanara-baovao satria tsy fantatra izay tena marina, hany ka tsy mahagaga raha ny tsaho miely etsy sy eroa indray no inoan’ny olona. Marina fa misy ny tsiambaratelon’ny famotorona (secret d’instruction) rehefa misy ny raharaha tahaka izao, saingy heverina fa azon’ny governemanta kosa ny mitondra fanazavana misimisy kokoa mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka. Betsaka ny vaovao mivoaka amin’ny haino aman-jery,  gazety sy ny tambazotran-tserasera sôsialy, ka tokony mitondra  fanazavana momba ireny ihany ny tompon’andraiki-panjakana satria raharaha lehibe eto amin’ny firenena ity fikasàna hamono ny filoha ity.

Mirazotra amin’izany rehetra izany, mampitaraina sy mampimenomenona ny vahoaka ny fisondrotry ny vidim-piainana, amin’izao fotoana. Saika isan-kerinandro no miakatra ny vidin’entana eny an-tsena, na ny entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro (PPN) , ny fitaovana fanamboarana trano, kojakojam-pianarana, sns sns. Manoloana izany anefa, tsy ahenoina feo mihintsy na ny kely aza ny minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana. Ny mpanjifa anefa fa manontany tena daholo amin’ny antony mahatonga izao fiakaran’ny vidim-piainana izao, saingy tsy misy ny fanazavana avy amin’ny fitondram-panjakana. Ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina izay sady mpitondra tenin’ny governemanta koa, etsy ankilany, raha mba niresaka an’io fidangan’ny vidim-piainana dia zara mitondra fanazavana ara-teknika fa mihonona amin’ny filazana fotsiny hoe : “efa mikaroka vahaolana ny fitondram-panjakana.”

F.Tsihiavonana

Lire aussi