Publié le 31 juillet 2021
Tato ho ato dia saika ahitana filazana olona very tsy hita popoka na eny amin’ny foiben’ny mpitandro filaminana na koa amin’ny haino aman-jery aty Antsirabe. Tamin’ity volana jolay ity, olona dimy be izao notsy hita popoka, misy ny salama saina ary misy ihany koa no sembana. Asa na ny disadisa misy ao an-tokantrano na halatr’olona na fitsoahana fa mampametram-panontanina ny fahitana izany matetika tato ho aty ary saika manerana an’ny Vakinankaratra izany tranga izany. Nanomboka tsy mandry ny resaka fahandriam-pahalemana eto Vakinankaratra na miezaka manao my adidy sy andraikiny aza ny mpitandro filaminana.
Haingo R.