Publié le 02 août 2021
… Tsaratsara kokoa ny mampandroso sakafo vitsy, nefa kanto, izay sakafo maro, nefa masiso.
… Tsaratsara kokoa ny misaina vao miasa, toa izay miasa vao misaina.
… Tsaratsara koa ny mandidy pataloha hifanandrify amin’ny haben’ny fe, toa izay mandidy fa hifanandrify amin’ny pataloha.
… Tsaratsara kokoa ny marina “malemy” tanterahina, toa izay ny marina “mafy” tsy hatao.
… Tsaratsara kokoa ny mamorona daomy hiandrasana faty, toa izay mamorona faty hiandrasana daomy.
… Sa ahoana hoy ianao ?