La Gazette de la grande ile

Fidirana eto Madagasikara : Anjakan’ny kolikoly avo lenta

Publié le 02 août 2021

Raha ny fepetra ara-pahasalamana mihatra eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana, ary efa volana maromaro izao, dia mbola miato ny fitaterana olona an’habakabaka. Sokajin’olona vitsy dia vitsy no afaka misidina miditra eto Madagasikara, dia ireo masoivoho sy diplaomaty vahiny araka ny fifanarahana iraisampirenena, ireo tanora avy nanao fifaninanana iraisampirenena amin’ny fanatanjahantena, ary ireo Malagasy handevina ny havany akaiky nodimandry. Raha ireo tokoa no mihatra dia tsy hisy fiaramanidina ndeha hamono antoka hiazo an’i Madagasikara izany satria isan-kerinandro, azo antoka fa zara raha hisy olona 20 isaky ny sidina no hahafeno ireo masontsivana ireo. Hatreto anefa dia indroa na intelo isan-kerinandro ny fiaramanidin’ny vondrom-pitaterana an’habakabaka Air France no tonga eto. Mitondra olona izy ireny raha migadona eny Ivato ary mitondra olona koa miainga eny. Ny miainga aloha tsy asiantsika resaka fa ny migadona no mahavalalanina satria an-jatony ireo olona tonga.

Dia gaga ny mpitazana hoe “fa oviana no nisy tanora Malagasy anjatony nanainga mba handray anjara amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena iraisampirenena ka ireny miara-miverina ireny? Izy ireo ihany mantsy no tokony hisy andiany maro tafaraka fa izany fianakaviana hody handevina ny havany akaiky izany, raha misy, tsy mihoatran’ny folo, ka raha misy olona efatra maty eto an-tabnindrazana ka any ampita avokoa ny havany, dia tsy hihoatra ny 40 izany no ho avy handevina. Ny diplaomaty koa tsy hisy folo isan-kerinandro izany.

Ny marina dia avo lenta ny kolikoly ahazoana alalana miditra eto Madagasikara. Ao ny vahiny te hizaha tany, ao ny Malagasy te hody an-tanindrazana, sy ny hafa.

Efa nambaranay teto fa izany fanajana ny fepetra hisorohana ny tsy hifindran’ny aretina covid 19 izany rehefa tonga eny Ivato dia tsy misy mihitsy… (mifamihina, mifanoroka, …°) nefa ny fitiliana tsy mbola mivaly akory.

Etsy ankilany, maromaro ihany ireo teratany Malagasy te hody eto an-tanindrazana noho ny antony mavesabesa-danja ihany, nefa tsy afaka satria tsy tafiditra ao anatin’ny mason-tsivana dia tafajanona any. Ao ny olona nahavita fianarana, izay tsy iantohan’ny oniversite nianarany intsony, ao ny nahavita fifanarahana arak’asa izay tsy iantohan’ny mpampiasa azy intsony, ao ny hamonjy asa aty an-tanindrazana…

Rehefa toa izany ihany re, tompoko, avelao halalaka ny fidirana eto Madagasikara, fa ezaho arahina ny fitiliana dia ataovy hentitra ny fampanajana ny fepetra rehetra fa manjary fangala-piery sy hararaotin’ny sasany hangoronan-karena fotsiny izy ity.

Rainisoa

Lire aussi