La Gazette de la grande ile

Fandravana governemanta : Tsaho ny an’i  Ntsay

Publié le 13 août 2021

Namoaka fanambarana moa izany ny filohampirenena sy ny praiminisitra ny alarobia teo fa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny minisitra rehetra mandrafitra ny governemanta. Ny fanamarihana voalohany dia tsy didim-panjakana ilay noraisin’ny filohampirenena sy ny praiminisitra. Ny dikan’izany, raha ny lalàna no ifotorana, dia tsy mbola foana ny didim-panjakana nananganana ny governemanta ankehitriny. Tsy rava io didim-panjakana io raha tsy mivoaka ny didim-panjakana vaovao manendry an’izay handrafitra indray ny governemanta? Eny na izy rehetra ireo ihany aza no haverina amin’ny toerany ?

Etsy andaniny, mila fampahatsiahivana sy fanazavana ihany ny antsoina hoe “misahana ny asa andavanandro” na “affaire courante”.

Ilaina io fanazavana na fampahatsiahivana io mba hifampifehezana satria  misy ny tsy mahafantatra dia manaotao foana, ary misy ny manararaotra ny tsy fahafahantaran’ny maro.Tsy mahay lalàna ve ny minisitrin’ny fitsarana Johny Richard Andriamahefarivo sy Lalatiana Rakotondrazafy izay milaza fa mpahay lalàna ary mpampakantenin’ny governemanta no manaiky ireny fanambarana sadasada ireny.

Raha mampamoaka volam-panjakana ny minisitra amin’izao fotoana, amin’ny fananany fahefana antsoina hoe “ordonnateur”, mbola manan-kery  ny fampamoahana volam-panjakana ataony. Mbola afaka mandray didim-pitondrana  izy eo anivon’ny ministera sahaniny; Afaka mifampiraharaha amin’ny sehatra iraisampierenena koa satria mbola tsy misy didim-panjakana manafoana ny governemanta amin’izao fotoana izao.  Ao anatin’ny fotoana tokony hampanjakana ny fanaraha-maso entitra ny fitantanana ankapobeny ny asam-panjakana koa izao.

Araka ny lalàna dia mbola tsy rava ny governemanta ankehitriny fa resaka adala sy fika-be fotsiny no misy zao. Arahabaina fa tafajanona avokoa ianareo minisitra  ireo. Tena resaka gaboraraka tanteraka no eto.

La Gazette

Lire aussi