La Gazette de la grande ile

Governemanta : Lasa kilalaon-jaza

Publié le 20 août 2021

Tsy hay tenenina intsony ny fanakianana etsy sy eroa mahakasika ireo minisitra izay notendrena tamin’ny alahady faha 15 aogositra 2012 lasa teo iny. Samy miteny ny zavatra fantany avokoa ny olona rehetra ary milaza ny fantany momba azy tsirairay avy. Hatramin’ny fianana ara-piarahamonina ataon’izy ireny dia voalaza avokoa, eny na dia hatramin’ny toetra sy fihetsika miafina aza.

Nihena dia nihena ny hasin’ny minisitra noho izany satria fanakianana tsy roa aman-tany no mandeha eo anivon’ny tontolo politika sy ny fiaraha-monina. Tsy vitsy ny miteny fa lasa resaka kilalon-jaza no ao anatin’ny governemanta ankehitriny.  Ady anatiny sahady no mitrang, tena resaka tsy voahevitra. Nandiso fanatenana ny mpanaraka ny raharaha politika. Olona tsy mahafantatra an’i Madagasikara akory hoy ny olona sasany. Misy amin’izy ireo no hita fa mbola tanora na zazabe ireny ka tsy manana traikefa sy fahaizana akory amin’ny raharaha politika sy ny fitanatanana ny firenena.

Minisitra maro no voatonontonona sy voaresaka an-kehitriny fa manana fomba tsy mendrika sy misy “dossiers”maloto. Isan’izany ny minisitrin’ny asa vaventy Jerry Hatrefindrazana, ny minisitry ny fampianarana Teknika Vavitsara Rahantanirina Gabriella, ny minisitra lefitra ao amin’ny tanora Tahina Juliana Ratovoson, ary minisitrin’ny mponina Princia Sofilira. Tsy ho tenenina intsony ny raharaha Brice Randrianasolo. Mbola voaresaka be koa ny minisitrin’ny fambolena Harifidy Ramilison izay minisitra lefitra TIM teo aloha niaraka tamin’i Marius Ratolojanahary. Fa isan’ny voaresaka be koa ny minisitrin’ny vola sy ny toe-karena Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison izay voalaza fa mpikambana mafanafo amin’ny TIM ary olon’ingahy Ravalomanana Marc tanteraka.

Mbola tsy nisy teto amin’ity firenena ity hatramin’ny nitsanganan’ny governemanta ka vao tafatsangana efatra andro monja dia korontana sy fandroahana minisitra no mitranga. Tena kilalaon-jaza izany.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi