La Gazette de la grande ile

Rindra Hasimbelo : Mpanjakan’ny kiantranoantrano

Publié le 27 août 2021

Tsy maintsy hirosoana ny fanadiovana ny tahirimbolam-panjakana noho ny fisian’ny trangana kolikoly maro, ary tafiditra ao anatin’izany fanadiovana izany ny fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana tamin’ny toerany ». Anisany nisongadina tamin’ny resaka nataon’ny ministry ny toekarena sy fitantanam-bola vaovao io, nandritra ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny fanitarana ny e-Hetraphone, teny amin’ny Plan Anosy, ny talata 24 aogositra teo. Vao nandray ny toeran’ny minisitra ramatoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison dia mirehareha fa hiady amin’ny kolikoly misy eo anivon’ny tahirimbolam-panjakana. Raha ny atontan-taratasy (dossier)  eo am-pelantananay ato amin’ny La Gazette de la Grande Ile anefa dia mpanjakan’ny kitranoantrano izay voasokajy ao anatin’ny kolikoly ihany koa ny minisitra Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison.

Fantatra ankehitriny fa tamin’ny fotoana naha sekretera jeneralin’ny ministera azy, dia nampiditra ny vadiny Louis Ellyse Cedric ho mpiasa aeo anivon’ny brigade d’inspection-n’ny tahirimbolam-panjakana ramatoa minisitra. Tsy ny vadiny ihany fa olona roa hafa ihany koa no fantatra fa nampidiriny tao, tsy iza izany fa Andrianometiana Hasimbelo Hajantsalamana ary Raoilisoa Harilala Oninintsoa. Ity farany ity izay nalefa hiasa any amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena any Washington DC, any Etazonia. Tsara marihana fa ankaotra ny maha mpiasa ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana ny vadin-dRamatoa minisitra, dia nantsoin’ny CNAPS hiasa ao aminy koa i Louis Ellyse Cedric kanefa tsy naka “disponibilité” amin’ny maha mpiasam-panjakana azy akory, ary mbola mitohy hatramin’ity androany ity ny fandraisany karama sy tombotsoa maro samihafa ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana.  Raha ny voalaza ao anatin’ny dossier eto am-pelatanana dia nahatratra 13 tapitrisa ariary izany ho an’ny volana jona lasa teo.

Mikasika an-dRamatoa Raoilisoa Harilala Oninintsoa kosa indray dia fantatra fa mandray karama manodidina ny 60.000.000 isam-bola io olona nalefan’ny minisitra hiasa any Washington io. Mandraka ity anefa ny androany, tsy mbola notapahina ny karama sy ny tombotsoa azony eto Madagasikara. Ity ramatoa ity mantsy izay fantatra fa  tale sady “coordonateur” tao amin’ny seketera jeneralin’ny ministera teo aloha. Tsy vitan’izay ihany fa nomena fahafahana hanaraka an-dRamatoa Raoilisoa Harilala Oninintsoa any Washington koa  ny vadiny kanefa tsy niera tamin’ny Tahirimbolam-panjakana izay niasany akory. Voalaza fa handeha hamonjy fiofanana any Etazonia io olona io, ary nosoniavian’i Rindra Hasimbelo ny taratasy mifandraika amin’izany,  saingy tsy izany velively ny zava-misy fa nanaraka ny vadiny any an-toerana fotsiny izy. Izany rehetra izany no manaporofo fa anisan’ireo mpanjaka amin’ny fanaovana kitranoantrano ao amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ao ihany koa ny minisitra Rindra Hasimbelo Rabarinirinason kanefa milaza hiady amin’ny kolikoly miseho eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana.

F.Tsihiavonana

Lire aussi