La Gazette de la grande ile

Toamasina : Onjam-peo roa tsy ara-dalàna jerem-potsiny

Publié le 01 septembre 2021

Novakin’ny mpanao gazety bantsilana ny fisian’ny radio vaovao vitsivitsy afaka nisokatra mandefa fandaharana sy fampahalalam-baovao ao Toamasina ao dia ny RT2 FM 103 izay radio Relax no anarany tamin’ny taon-dasa,  efa nakatona nefa izao nosokafana ao andrenivohitry ny faritra Atsinanana izao indray. Ny onjam-peo faharoa dia ny radio Masoandro Gasy FM 96.2 mitondra ny anarana Fitahiantsia ara-taratasy,  vao nitsangana ny volana novambra 2020,  ary misy mpiasa nangataka karatra maha mpanao gazety matianina ka efa navoakan’ny komity misahana ny fizarana karatra amin’ny lisitra vonjy maika ny anaran’izy ireo.

Akoatra ireo dia mbola maro ny radio nisokatra any amin’ny faritra hafa toy ny any Andapa, RFB FM 92.6, nisokatra ny volana martsa lasa teo, sns sns. Somary nafeninin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny serasera ihany ireo onjam-peo tsy manaran-dalàna ireo, saingy nataon’ny mpanao gazety vaky bantsilana teo anatrehan’ny iraky ny Fiedrich Ebert, nandritra ny loam-bary andasy natao tao Toamasina, ny herinandro lasa teo. Misy kitranoantrano ary ve ity fanomezana fahazoan-dalana hanokatra onjam-peo ity sa misy ambadika hafa fa dia miharihary loatra ny zavamisy.

Lalao.R

Lire aussi