La Gazette de la grande ile

Filoha Rajoelina : Tsy ny FMF ihany no tokony hitezerana

Publié le 01 septembre 2021

Ny mpanara-baovao rehetra dia mahafantatra fa tao anatin’ny roa taona sy tapany naha filoham-pirenena azy, dia tsy mbola naneho fahatezerana tahaka an’iny nataony teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato  iny ny filoha Andry Rajoelina. Tsiahivina ihany fa namaky ady amin’ny Federasionina malagasy ny baolina kitra ny filoham-pirenena satria resy lahatra izy fa nisy ny faminganana (Sabotage) nataon’ny federasionina izay nahatonga ny lalao eo amin’ny Barea sy Benin tsy azo asiana mpijery , ary ny tsy fahafahana nitokana ny kianja Barea Mahamasina mialohan’io lalao amin’ny alakamisy io. Nomelohan’i Andry Rajoelina tanteraka ny fihetsiky ny FMF ary nilaza izy fa tsy mifarana eo ny tantara fa mbola hisy tohiny.

Maro moa no mihevitra fa tena rariny sy hitsiny raha tezitra ny filoham-pirenena manoloana  ity raharahan’ny Barea ity, saingy raha mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena dia tsy ny FMF ihany no tokony hitezeran’i Andry Rajoelina tompon’andraikitra ambony maro ihany koa. Voalohany amin’izany ireo mpitantana eo anivon’ny Jirama sy ny minisitra mpiahy an’io orinasam-panjakana io. Raha misy mantsy ny zavatra tena mampinomenona ny Malagasy, ankehitriny, dia ny afitsoky ny Jirama amin’ny mpanjifany. Maro amin’ireo tompon’andraikitra misy eny anivon’ny ministera sy ireny sampandraharaham-panjakana samihafa ireny ihany koa no tsy mahavita ny asany na manao kolikoly isan-karazany izay tena mamotika ny firenena. Raha toa ka tsy maneho fahatezerana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana tsy mahavita azy sy manao adalàna ny filoha Rajoelina, dia midika izany karazan’ny sarimehitsika na koa “diversion” fotsiny ihany no nataony teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alatsinainy teo.

F.Tsihiavonana

Lire aussi