La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Atsaharo ny hazalambo politika

Publié le 01 septembre 2021

Ny hazalambo politika dia tsy inona akory fa ny fanenjehana an-jambany an’izay tsy mitovy loko politika amin’ny mpitondra. Mpitranga izany nandritra ny 60 taona teto Madagasikara. Tamin’ny Repoblika voalohany, raha vao tsy Pisodia ianao dia mifofo volo vao tafavoaka amin’ny fiainana. Ny mpianatra dia tsy mahita ravina avaratra raha tsy zanaka Pisodia. Ny mpandraharaha ara-toekarena dia nianjadian’ny kapa ranjo isan-karazany raha tsy manaiky manampy ara-bola ny Pisodia. Raha mpiasampanjakana na miaramila ianao dia aza manantena hisondrotra amin’ny laharana sy ny sokajy nisy anao raha tsy manompo ny Pisodia.

Nitohy faha-Repoblika faharoa, nandritra ny andron’ny Arema izany, ary niampy aza ny hoe “amoronana antontan-taratasy raha vao manelingelina” Isan’ny nianjadian’izany ry Kaomanda Andriamaholison Richard, ry Gaston Ramaroson, sy ny hafa. Na tamin’ny andron’ny Undd koa aza dia nitranga izany. Vao mainka nandrivorivo ny fanenjehana ny tsy TIM tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Nitohy izany faha-Rajaonarimampianina. Tsy re firy fa nisoko mangina. Ny mpandraharaha no tena voakenda roroka.

Ny mahavariana, asa na izany no antsoina hoe “fitohizan’ny raharaham-panjakana” (continuité de l’Etat) na ahoana fa “Hazalambo ara-politika faha-Rajaonarimampianina no mbola mitohy sy anenjehan’ny fitsarana ny olona tsy nanaiky nanompo ny HVM amin’izao fotoana”.

Misy ireo mpandraharaha ara-toekarena, teratany Malagasy, no nohampangaina amin’izao fotoana fa “manao famotsiam-bola” na “blanchiment d’argent”. Ny fitsarana eny anivon’ny PAC no manao ny fanadihadiana ary voaporofo fa volan’ny banky no ampiasain’ireny mpandraharaha ireny, nefa dia tsy miala ny vesatra anenjehana azy ireny hatramin’izao. Ao koa ny lazaina fa nanao hosoka amin’ny raharahan-ketra (fraude fiscale). Rehefa nohadihadiana ny foibe fandrahatrahana ny hetra (direction générale des Impots) dia samy nilaza fa saika madio ara-ketra ireny mpandraharaha nambara fa “nanao hosoka” ireny. Raha ny lalànany koa aza dia misy ny  fahafatesana paik’andro amin’ny raharahan-ketra na ilay antsoina hoe “prescription quadriennale”. Izany hoe ny hetra tsy voaefa tao anatin’ny efa-taona dia naman’ny paty paik’andro ka tsy azo anenjehena an’ilay olona intsony. Ny maro amin’ireo ianjadian’ity fanenjehana ara-ketra ity anefa dia efa tany amin’ny 2015 na 2016 avokoa. Ny marina dia mpandraharaha tsy nanaiky niara-dia tamin’ny HVM izy ireny, ary nanda ny handoa vola (ecolage) nanaovan’ny HVM fitaovana. Dia mahazendana koa fa dia mbola mitoetra hatramin’izao ny fanenjehana azy ireny.

Misy koa ireo mpandraharaha ireo, izay tsy manondrana na akotry iray aza nefa dia enjehina ho tsy nampody ny vola vahiny vidin’entana naondrany (rapatriement de devises), ary mbola mitoetra hatramin’izao ny vesatra. Isan’ny fepetra noraisin’ny fitsarana ny fangejana ny volan’ireny mpandraharaha ireny any amin’ny banky. Sao mba tokony jerena izany fa manala baraka fitsarana sy fitondram-panjakana.

Ralay

Lire aussi