La Gazette de la grande ile

Asa fanaovan-gazety : Nodimandry i Dany be

Publié le 03 septembre 2021

Misaona indray ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Nodimandry rehefa nivahiny 86 taona teto an-tany i Daniel Rakotoseheno, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe “Dany be”. Raha misy angamba ny mpanao gazety mpaka sary (photojournalisme) manana traikefa sy manana ny maha izy azy indrindra eto Madagasikara dia voalohany i Dany be. Isan’ireo andiany (promotion) voalohany tamin’ny photojournalisme teto Madagasikara i Dany be, niaraka tamin’i Arhys Rakotondrazaka. Gazety maro no efa niasan’i Dany be teo amin’ny fiainany, anisan’izany ny Le courrier de Madagascar, Le Quotidien ary ny Madagascar Matin. Ankaotra ny maha mpanao gazety mpaka sary azy dia filoha mpanorina ny Collectif des reporter d’image de Madagascar (CRIMAD) sy ny Club des Journalistes doyen de Madagascar (CDJ) ihany i Dany be.

 

Lire aussi