La Gazette de la grande ile

Nosy Be Hell-ville : Ahiana ny fipoahana ara-tsosialy

Publié le 07 septembre 2021

Raha misy ny distrika nitondra takaitra be indrindra tao anatin’ny valan’aretina Covid-19 dia voalohany i Nosy Be Hell-ville. Tsy hoe nandripaka olona maro akory ny aretina fa ny tsy fisian’ny mpizahantany noho ny sisin-tany mikatona no tena miteraka krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy lehibe any an-toerana. Tsara marihana fa manodidina ny 80 isan-jaton’ny mponina ao Nosy Be Hell-Ville no mivelona mivantana na ankolaka amin’ny sehatry ny fizahantany, lôjika noho izany raha miaina ao anatin’ny fahasahiranana lalina ny ankamaroan’ny mponina, ankehitriny. Misy fetrany daholo anefa ny zava-drehetra, hoy ny fitenenana, ka raha mbola hitohy mandritra ny herinandro maromaro izao zava-misy any Nosy Be izao dia ahiana mafy ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy.

Tsiahivina ihany fa nanomboka ny volana marsa tamin’ny taon-dasa no tsy nisy mpizahantany tonga intsony any Nosy Be Hell-ville rehefa nakaton’ny fitondram-panjakana ny sisin-tany. Tany amin’ny faramparan’ny taona 2020 ka hatramin’ny volana marsa lasa teo no nosokafana ny sisin-tany ho an’i Nosy Be sy Sainte Marie mba ho fitsinjovana ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny mponina ao amin’ireo nosy ireo, saingy na teo aza izany dia tsy tafarina mihintsy ny fahavoazana nisy tao anatin’ny volana maro. Lasa tsy an’asa daholo ny ankamaroan’ireo tanora miasa amin’ny hotely na trano fandraisam-bahiny, tsy misy manjifa ny vokatra rehetra natao ho an’ny mpizahantany, eny fa na ny mpivarotena izay anisany tena mampalaza an’i Nosy Be aza dia tsy misy mpanjifa intsony. Manoloana izany rehetra izany dia manao antso amin’ny fitondram-panjakana mba hanokatra haingana ny sisin-tany ny mpandraharaha sy ny mponina ao amin’io nosy io mba hisorohana ny fipoahana ara-tsosialy.

F.Tsihiavonana

Lire aussi