La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Aoka tsy hiandry tondra-drano

Publié le 15 septembre 2021

Ny tapaky ny volana novambra no manomboka ny fotoam-pahavaratra, raha ny nahazatra hatrizay. Hatramin’ny nihazakazahan’ity fiovaovan’ny toetrandro noho ny fahapotehan’ny tontolo iainana ity anefa dia niova koa izany. Indraindray dia lasa aloha ny orana ary tena matevina. Indraindray koa no tratra aoriana, ka ahiana hiteraka hain-tany. Na ny main-tany koa aza dia mitovitovy amin’izany satria latsaka ambany loatra ny hatsiaka, ohatra, ary rehefa lohataona dia tafakatra ambony kokoa ny hafanana.

Ny ho fiavian’ny fotoam-pahavaratra no vontoatin’ity matoandahatsoratra ity satria afaka roa volana eo izany, raha ny fahita. Ny dikan’izany dia  hiatrika fahasahiranana indray ny ampahan’ny mponina maro, toy ny eto Antananarivo. Ny monina amin’ny toerana avo dia manahy na mitaintaina ny ho fihotsahan’ny tany, ary ny mitoetra amin’ny faritra iva dia mitebiteby amin’ny tondra-drano.

Dieny izao dia efa tokony hihetsika ny tompon’andraikitra. Manomboka amin’ny eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina, ny ministeran’ny asa vaventy, ny BNGRC….

Tsy tokony hiandry ny orana mirotsaka vao hikoropaka fa misy asa tokony efa idinana mihitsy, dia ny fisavana an’ireo lakan-drano lehibe, toa an’Andriantany, sy renirano mamakivaky an’Antananarivo dia Ikopa sy Sisaony ary Mamba. Dieny izao koa dia tokony savaina avokoa na sokirina ireo tata-drano any anaty tanàna rehetra sy amoron-dalana rehetra any. Feno fako izy ireny ary ao koa ny tsentsin’ny fotaka..

Tsy azo atao ambanin-javatra amin’izany ny fanaraha-maso ireo fanotorana tany miseho lany etsy sy eroa, ny fananganana fotodrafitrasa izay isan’ny miteraka tondra-drano eto. Raha izao dia voajery izy ireny dia mety ahitana vahaolana avy hatrany. Mety hitarika hatramin’ny fandrodanana an’ireny fotodrafitrasa na trano miorina mety hiteraka tondradrano ireny mihitsy aza.

Ireo mponina amin’ny faritra avo izay atahorana hihotsaka dia tokony efa mandray fepetra, ary toraka izany koa ireo mitoetra amin’ny faritra iva.

Raha samy miezaka dieny izao, na somary efa tratra aoriana aza, dia antenaina fa mba hisy ampahan-doza ho voasoroka.

Tokony misy avy hatrany koa ny fanentanana atao mba handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fisorohana ny areti-mifindra isaky ny fotoam-pahavaratra. Efa tokony hivonona amin’ny fanafody hifehezana an’izany koa ny fanjakana. Matoa izahay manipika fa efa tratra aoriana aza izao volana septambra izao amin’ireo asa ireo dia tsarovy fa tsy asa kely na maivana ireo fa goavana, ary sarotra.  Aoka tsy hanao ny fomba  nahazatra ny sasany hatrizay dia ity fanaovana afo ambilany kely ity. Ny fisorohana no tena zava-dehibe noho ny fiadiana amin’ny loza. Mba horaisin’ny fitondram-panjakana isan’ambaratonga ho zava-dehibe ve izany resahana izany ?

Ralay

Lire aussi