La Gazette de la grande ile

Fanjakana tan-dalàna : Tsy ny fitondrana Rajoelina no hametraka azy

Publié le 15 septembre 2021

Masotsivana iray afahana milaza fa mivoatra ny firenena iray ny fisian’ny fanjakana tan-dalàna. Raha fitinina ao anatina fehezanteny tokana dia  “tsy misy olona ambonin’ny lalàna na iray aza eto amin’ny firenena” ny famaritana ny atao hoe “fanjakana tan-dalàna”. Izay mpitondra rehetra nifandimby teo, ao anatin’izany ny filoha Andry Rajoelina mazava ho azy, dia samy nidradradradra fa hanao izay hoafany mba tena hipetraka eto Madagasikara ny fanjakana tan-dalàna, antoka lehibe iray amin’ny fampandosoana ny firenena. Rehefa mijery ny zava-misy eto amintsika anefa, tao anatin’ny roa taona sy tapany, dia hita fa tsy ity fitondrana Rajoelina ity mihintsy no hahavita hametraka ny tena fanjakana tan-dalàna fa ny omaly tsy miova ihany no misy eto.

Raha vao nandray fahefana ny filoha am-perinasa, tamin’ny fiandohan’ny taona 2019, dia anisan’ny vaovao tena nisongadina teto amin’ny firenena ny fisamborana an’i Eddy Maminirina na i Eddy Bois de rose sy i Mbola Rajaonah izay voapanga ho nanao fanodikodinam-bola sy kolikoly avo lenta. Nieritreritra ny mpanara-baovao tamin’izany fotoana izany fa tena hametraka ny fanjakana tan-dalàna ary hiady amin’ny tsy maty manota ity fitondrana ity. Rehefa nandeha anefa ny volana sy ny taona dia hita sy tsikaritra fa tsy tena izay akory ny zava-misy eto amin’ny firenena satria mbola manjaka ny fanodikodinam-bolam-bahoaka, ny kolikoly avo lenta amin’ny endriny samihafa, ny tsy maty manota, sns sns. Tsy ho voatanisa eto daholo moa izany fa ohatra azo raisina ny raharaha bonbon sucette, écran plat teny amin’ny CCO/ Covid-19 teny Ivato, ary farany teo izay mbola miteraka resabe mandraka ity ny androany dia ny raharahan’i Lalatiana Rakotondrazafy (Mama sôsy) sy ny vadiny, Andry Andriantongarivo.

F.Tsihiavonana

Lire aussi