La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Lany henatra ny Jirama

Publié le 16 septembre 2021

Orin’asam-pankakana tokony ho reharehan’ny vahoaka Malagasy ny Jirama nefa dia lasa mampihivingivin-doha ny maro. Raha ny lalànan’ny orin’asa iray dia arakaraky ny iroboroboan’ny fitombon’ny mpanjifa ny asa tolotra  (service ou produit) vokariny no tokony hampiroborobo ny fihatsaran’ilay orin’asa sy ny fivoarany ary ny fandrosoany, indrindra moa fa manao ampihimamba (monopole) ny asa iray ilay orin’asa. Izay no tokony ho fisehon’ny orin’asa Jirama. Mampalahelo anefa fa vao mainka mitsotsorika midina ambany dia ambany, mba tsy itenenana hoe naman’ny potika.

Tsy misy antony tokony tsy hahavitana manarina an’io orin’asam-panjakana Jirama io mihitsy, na inona vokatry ny fitantanana feno halatra natao azy tamin’ny fitondrana Ravalomanana na inona. Tsy azo hamaivanina fa na inona mety ho olana nosedrain’ny Jirama nanomboka tamin’nty fitantanan’ny Repoblika fahatelo na inona dia ny fitondrana Ravalomanana no tena nampihazakazaka ny famotehana azy. Tsikombakomba avo lenta sy halatra mivantana tamin’ny volan’ny Jirama mantsy no nataon-dRavalomanana sy ilay vondron’asa Alemà “Lamayer” nampisahanina ny fitantanana azy.

Amin’izao fotoana, tokony efa hita soritra ny fiarenan-dohan’izy io satria miezaka mametraka ny politika ankapobeny ho amin’ny famokarana herin’aratra ny fanjakana fa ny foibem-pitantanana an’io orin’asa io mihitsy no tsy mahavita azy.

Nanomboka tamin’ny fitondrana Ratsiraka tamin’ny taona 2000 tany no nohararaotina ny fahasahiranan’ny Jirama ka nampidirana ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny orin’asa Fraise. Tsy inona io fa ny fanofana ny milina famokarana herinaratry ny Fraise. Nampidirina tao anatin’ny mpiara-miombona antoka tamin’ny fifanarahana ry Sophie Ratsiraka, ary nampidanganina ny hofan’ilay milina. Taty aoriana, nitohy ny fanofana milina  famokarana herin’aratra tamin’ny sehatra tsy miankina. Nisy koa ny fividianana solika tamin’ireo mpandraharahan-tsolika izay orin’asa tsy miankina amin’ny fanjakana, ka nohararaotina nitsikombakombana. Miendrika halatra mihitsy no nitranga satria tsy araka ny solika novidian’ny Jirama ka tena nampiasainy no nanaovana faktiora, dia nisy ny kopaka nisasahana. Nisy koa ny fividianan’ny Jirama herin’aratra novokarin’ny orin’asa tsy miankina hafa, izay saika vahiny avokoa no mitantana ireny orin’asa tsy miankina  mpamokatra herin’aratra ireny. Raha herin’aratra 100 no novidian’ny Jirama dia nambara fa 1.000, dia nisy hatrany ny kopaka nisasahana. Izany rehetra izany dia isan’ny mampihazakazaka ny fitotonganan’ny Jirama. Ny tale jeneraliny moa, Vonjy Andriamanga, dia miliba sy mitavana fotsiny, ka na iraka (mission) ambarany fa ataony any amin’ny faritra aza dia fakan-drivotra sy fanararaotana ny volan’ny Jirama any amin’ny faritra no tena misy. Hatramin’izao, na inona na inona fandaharana manokana andoavana volabe any amin’ireo haino aman-jery isan-karazany ho dokam-barotra, dia tsy voavaha mihitsy ny olan’ny Jirama fa mampikaikaika ny ambanilanitra. Ny tale jeneralin’ny Jirama mihitsy no tokony hahalala menatra dia manaja tena. Manantena ny fahaiza-manaon’i Andry Ramaroson, minisitry ny angovo ny mpanara-maso.

Ralay

Lire aussi