La Gazette de la grande ile

Vadin’i Mama sôsy : Naboridanin’ny prefet

Publié le 16 septembre 2021

Azo antoka ankehitriny fa tsy mitazona ireo basy nahazoany alàlana avy amin’ny prefektiora eto Antananarivo Renivohitra ny vadin’ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy na i Mama sôsy, Andry Andriantongarivo. Ny 09 septambra lasa teo no nivoaka ny fanapahan-kevitra (décision) avy amin’ny prefektiora fa esorina amin’ity vadina minisitra ity basy miisa roa eo am-pelatanany izay nananany fahazoan-dàlana, dia ny fusil de chase marika Verney Carron Cal 12 sy ny Pistolet Automatique marika Tanfoglio Cal 7.65. Antony nandraisan’ny prefektiora izany fanapahan-kevitra izany ny fampiasana diso tafahoatra sy tsy ara-drariny (usage execessif et abusive) ireo fitaovam-piadiana ireo.

Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny prefektiora ihany dia terena hametraka ireo basy roa ireo eny amin’ny kaomisarian’ny polisy akaiky azy i Andry Andriantongarivo miaraka amin’ny taratasy rehetra mifandraika amin’izany, ary tsy azon’ity farany hatao intsony ny mangataka fahazoan-dàlana vaovao hitazona basy. Io fanapahan-kevitra noraisin’ny prefektioran’Antananarivo io no manaporofo fa tena nampiasa ny basiny tamin’ilay mpanankanto Sayda marina rangahy vadin’i Mama sôsy, teny Ambatobe. Ramatoa minisitra anefa mbola sahy milaza fa tsy marina ny vaovao navoaka momba ity raharaha ity fa tsaho niniana nahely mba hanaratsiana na hamotehana azy sy vadiny fotsiny.

F.T.

Lire aussi