La Gazette de la grande ile

Minisitra vaovao : Sady tsy teknisianina no tsy politisianina

Publié le 25 septembre 2021

Be dia be ny ministera tsy afa mihetsika hatramin’izao fotoana izao taorian’ny fanendrena azy ny faha 15 aogositra 2021 teo.  Iray volana mahery 10 andro tanteraka izay no nandraisany asa nefa dia tsy hita izay zavatra miova na koa tsirimpanantenana ho amin’izany fiovana izany.  Mbola ratsy lavitra noho ny teo aloha ny ankamaroan’izy ireo.

Ny lafiny fitantanana ny fampandehanana ny ministera dia tsy voafehin’izy ireo. Lasa gaboraraka ny raharaha asam-panjakana.Olona milalao solosaina sisa mameno ny birao, na koa manao tombok’andro dia lasa mody manao asa hafa any ivelan’ny ministera avokoa.

Ny lafiny politika indray dia tena zava-doza no misy satria na  ny sori-dàlana harahina dia samy maka ho azy avokoa. Tsy voaraka intsony ny PGE (politika ankapoben’ny governemanta). Governemanta samy maka hoa azy no tazana avy aty ivelany.  Tsy manana eritreritra raha tsy ny hangala 20% amin’ny tsenam-panjakana  amin’ireo mpandraharaha.  Izany fotokevitra iarahana izany dia tsy hita mihitsy ary lasa any amin’ny faravata ny “IEM” (initiative pour l’émergence de Madagascar ). Tsy misy ministra na mpomba io fanjakana io intsony miresaka izany.

Vokatrin’ny zava-misy eo amin’ny toetra ananan’ny minisitra izay dia mikorontana  ny raharaham-pirenena. Miala  tamin’ny olana iray dia miditra amin’iray hafa. Misy aza mbola tsy milamina akory ny eo aloha dia efa miditra indray ny olana vaovao.

Tsy vitan’izany ihany fa diplaoma sandoka, fijangajangana,  CV ( curriculum vitae) lainga sy fitaka no naderadera tamin’ny nanendrena azy ireny. Be dia be no milaza fa nahavita fianarana ambony tamin’ny sekoly ambony frantsay na  tany ivelany, nefa rehefa no jerena akaiky izany dia fandalovana nanaovana fiofanana herinandro na iray volana ihany no ananana dia milaza fa mpianatra tamin’ireny toerana ambony ireny. Ohatra amin’ireo olona nandainga amin’ny diplaoama ireo Patrick Rajoelina (ENA), Soafilira, Vavatsara Rahantanirina…

Vokatr’izany dia izao latsaka anelanelany toa ny lohalik’alika izao ny firenena.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi