La Gazette de la grande ile

Fampivoarana ny Renivohitra : Diso hevitra ny filoha Rajoelina

Publié le 29 septembre 2021

Na ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina na ny filoham-pirenena dia samy manana finiavana ny hampivoatra ity Antananarivo ity mba ho lasa tanàn-dehibe mendrika amin’ny maha renivohitra azy. Tetikasa lehibe hotanterahina afaka volana vitsy, ary efa nahazoana famatsiam-bola goavana avy amin’i Frantsa ny fametrahana ilay fitaovam-pitaterana téléphérique. Araka ny fanazavana nomen’ny filoham-pirenena, nandritra ny fihaonany tamin’ny diaspora malagasy tao Paris, ny 28 aogositra lasa teo, dia ny fampivoarana an’Antananarivo mba ho lasa tanàna môderina ary ny fampihenana ny fitohanan’ny fiara no tanjona amin’ny fametrahana ny téléphérique. Tsy ratsy akory io fitaovam-pitaterana io, saingy rehefa tena dinihana dia diso hevitra ihany ny filoham-pirenena raha ity tetikasa lehibe ity no resahina.

Tsara ny mampatsiahy fa mitetina 116 tapitrisa euro na manodidina 510 miliara ariary ny tetibola entina manangana an’io téléphérique eto Andrenivohitra io. Raha tena te hampivoatra an’Antananarivo ny fitondrana, betsaka ny zavatra azo tanterahina izay tena miantraika amin’ny fiainam-bahoaka, manome endrika tsara ny Renivohitra ary mampihena ny fitohanan’ny fiara lavitra noho ny téléphérique. Araka ny kajikajy nataona manam-pahaizana momba ny asa vaventy iray mantsy dia afahana manangana fotodrafitrasa maro tena mampiova ny endrik’Antananarivo io vola 116 tapitrisa euro io. Azo atao tsara ny manangana Fly Over miisa 5 na 6 amin’ireo faritra tena mahatonga ny fitohanan’ny fiara manodidina ny Renivohitra, ary manamboatra lalana vaovao toy ny amin’iny manamorina ny lakan-dranon’Andriantany iny. Mbola azo atao ihany koa ny manangana toby fiantsonan’ny Taxi-brousse lehibe vaovao izay hifanarahana tsara amin’ireo kaoperativa miasa eny amin’ny Fasan’ny karana ny toerana hametrahana izany. Ekena fa tsy ratsy ny zavatra môderina mifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetrandro, saingy zavatra tena miantraika amin’ny sarababen’ny mponina no tokony hatao.

F.Tsihiavonana

Lire aussi