La Gazette de la grande ile

Kolikoly : Miantso an’Imbiky Herilaza ny any Toamasina

Publié le 30 septembre 2021

Mampikaikaika ny olona manana raharaham-pitsarana any Toamasina ny afitsoky ny tompon’andraikitra sasany any an-toerana ka miantso ny minisitry ny Fitsarana ny any mba hijery ny fomba hanarenana ny zava-misy sy hamongorana ny kolikoly ary hamaizana ny zatra manao izany kolikoly izany.

Voatonona anarana manokana amin’izany ny kaomisera ao amin’ny polisy ekonomika izay manao ny famotorana, dia i Tolotra. Voatonona toraka izany koa ny tonia teo aloha nisahana ny fampanoavana, dia i Thierry.

Maro ny tranga voatanisan’ny avy any Toamasina, satria dia efa nampiakarana fitoriana amin’ny antontan-taratasy maromaro karazana any amin’ny Bianco izy ireo, fa hatreto dia ohatran’ny tsy maty manota. Na ny tany amin’ny Bianco aza dia efa vaky vava amin’ny Kômisera Tolotra fa “tratra ambodiomby nandray kolikoly”.

Isan’ny mampiroborobo ny kolikoly ao amin’ny fitsarana any ny faharetan’ny tompon’andraikitra amin’ny toerany any. Hatramin’ny nivoahany ho mpitsara tany amin’ny sekoly nanofana azy no voatendry niasa tao amin’ny fitsarana tao Toamasina ny sasany, ary mandrak’ankehitriny, efa hisotro ronono, dia tao hatrany.

Ny tranga iray isan’ny mampikaikaika ny any Toamasina satria maro no niharam-pahavoazana dia ny momba an-dRasoavololona  Alida Sasah. Efa namoahana didy fampisamborana, ary efa in-telo voafonja noho ny heloka vitany, nefa tampoka ankehitriny, voalazan’ny fitsarana fa “tsy manana fahefa-mitsara an’io raharaha io ny fitsarara.” Na ny kaomandy ambonin’ny zandary ankehitriny, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry aza dia mahafantatra tsara ny tontolon’ny fandikan-dalana fanaon-dRasoavololona Alida Sasah. Olona efa mpamerin-keloka sy voafonja toa izany ve dia sahin’ny tompon’andraikitra ny milaza tampoka indray fa “tsy ananany fahefana ny mitsara azy”? Kolikoly izany, hoy ny any Toamasina, ka miantso ny minisitry ny fitsarana, Imbiky Herilaza, hampanao fanadihadiana dia handray fepetra fa potika ny vahoaka. Ny Bianco koa tsy azo itokisana.

Rainisoa

Lire aussi