La Gazette de la grande ile

Hetra iraisam-pirenena : Taraiky i Madagasikara

Publié le 11 octobre 2021

Vaovao heverina fa nisongadina indrindra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny herinandro lasa teo, ny fifanarahana lehibe nataon’ireo firenena miisa 134 momba ilay hetra iraisam-pirenena (impôt mondiale) alaina amin’ireo vondrom-barotra maro rantsana na ny «mulitinationale». Fanovana goavana amin’ny rafitra momba ny hetra maneran-tany io fifanarahana nivoaka tamin’ny alakamisy io izay marihana fa nodinihana sy novolavolaina nandritra ny volana maro.

Ny OCDE  (Organisation de coopération et de développement économique)  izay vondrona ara-barotra sy ara-toekarena hivondronan’ny firenena tandrefena manodidina ny 40 no tena tompon-kevitra tamin’ity fanavaozana lehibe natao tamin’ny rafitra momba ny hetra iraisam-pirenena ity fa niditra nanao sonia ny fifanarahana ihany koa ny firenena manerana ny kaontinanta dimy. Ny 15 isan-jato amin’ny tombom-barotra azon’ireo multinationale  no alain’ny firenena rehetra voakasika ao anatin’izany, ary amin’ny taona 2023 vao tena hihatra io hetra vaovao io. Marihana fa ireo orinasa lehibe misehatra amin’ny resaka internet sy ny tambazotran-tserasera sôsialy toa an’i Google, Microsoft , Facebook ary Amazon no tena lasibatra amin’izany. Taraiky i Madagasikara satria tsy mba anisan’ireo firenena nanao sonia ny fifanarahana kanefa mahatratra 150 miliara dolara isan-taona ny hetra hozarain’ireo firenena maherin’ny 130 nankatoa an’io rafitra vaovao io.

F.Tsihiavonana

Lire aussi