La Gazette de la grande ile

Amparafaravola : Lasa 100% ny zana-bola alaina amin’ny tantsaha

Publié le 14 octobre 2021

Misedra olana goavana ny tantsaha niditra tamin’ilay famatsiam-bola fihariana tosika voka-bary aty amin’ny Faritra Alaotra. Izany dia vokatry ny faharatsian’ny voka-bary noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana. Ratsy ny vokatra ka tsy nahaleo ny sarany ny vidiny, noho izany nangataka ny tantsaha mba ny zana-bola ihany no aloa amin’ity taona 2021 ity. Dingana maro no nolalovan’ny tantsaha tamin’ny fifampidinihana niarahana tamin’ny banky sy ny tompon’andraikitry ny tetikasa. Hita ihany ny marimaritra iraisana tao anatin’izay fifampiresahana izay ka tapaka fa ny zana-bola ihany aloha no aloan’ireo tantsaha izay mandalo fahasahiranana. Nizotra araka ny tokony ho izy izany taty Alaotra ankaotra ny tao amin’ny BOA Amparafaravola. Lasa 100 % mantsy ny zana-bola takiana amin’ireo tantsaha ao amin’io banky io. Vahaolana hitan’izy ireo amin’izany ny fandefasana delegasionina aty Andrenivohitra, hanazava amin’ireo tompon’andraikitry ny tetikasa izany olana ao Amparafaravola izany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi