La Gazette de la grande ile

Rinah Rakotomanga : Odian’ny Bianco fanina

Publié le 15 octobre 2021

Rehefa raharaha inona no avy hatrany dia mihetsika ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ary efa inona no mody fanina? Fantatra ankehitriny fa mandalo eto an-tanindrazana ramatoa Rinah Rakotomanga izay amam-bolana izao no voatendry ho mpanolontsain’ny masohivoho malagasy ao Paris. Ity talen’ny serasera teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika ity izay tsiahivina ihany fa voasaringotra tamina raharaha fanaovana sy fampiasana hosoka teto amin’ny firenena, herinandro vitsy mialohan’ny nandefasana azy any Paris. Raharaha SMMC moa no nahafantaran’ny maro an’io nahavoarohirohy an’i Rinah Rakotomanga io, ary vola vola amina miliara ariary maromaro no voaresaka tao anatin’izany. Raha ny fahitan’ny mpanara-baovao sy ireo mpandinika ny raharaham-pirenena, dia tsy notendrena ho mpanolontsaina ao amin’ny masohivohon’i Madagasikara ao Paris mihintsy ramatoa raha tsy nisy ity raharaha SMMC ity.

Araka ny efa voalaza tery ambony dia mandalo eto Madagasikara i Rinah Rakotmanga kanefa tsy misy mihintsy ny fiantsoana azy avy amin’ny Bianco na dia hanontaniana momba an’io raharaha fanaovana sy fampiasana hosoka tao amin’ny orinasa SMMC io fotsiny aza. Tsara tsipihana fa tsy resaka niely tao anaty tambazotran-tserasera na noforonin’ny mpanao gazety akory ity raharaha mahavoasaringotra an’i Rinah Rakotomanga ity fa misy ny “dossier” manaporofo ny hosoko rehetra natao tao amin’io orinasa io. Mbola mipetraka ihany moa ny fanontaniana: “rehefa iza no manao kolikoly no avy hatrany dia mandray andraikitra ny Bianco, ary rehefa iza no odiana fanina jerena fotsiny?” Mbola manamarina foana izany trangan-javatra izany fa iray amin’ireo fitaovana politika entina hanenjehina ireo olona tsy azoazon’ny fitondrana ity birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly ity fa tsy rafitra tena hiady amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena. Izahay ato amin’ny La Gazette de la Grande île moa dia tsy sasatry ny mamerina hoe ravao any io Bianco io satria tsy araka ny andrasan’ny Malagasy ny asa ataony.

F.Tsihiavonana

Lire aussi