La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Avela ho faty ny vahoaka

Publié le 15 octobre 2021

Iray amin’ny andraikitra eo antsoroky ny fanjakana ny fiahiana ny fahasalamam-bahoaka, ka tafiditra ao anatin’izany fitsaboana azy raha marary izy. Izay no mahatonga ny fanjakana hanangana fotodrafitrasa momba ny fiahiana ny fahasalamana etsy sy eroa. Vao tamin’ny talata teo ny filohampirenena Rajoelina no nanipika fa “tsy maintsy raisin’ny hopitalim-panjakana ny fiantsorohana ny filan’ny marary eo ampidirana”. Io ilay  antsoina hoe “urgence”. Ny antony moa dia nomarihin’ny filohampirenena tsara fa “vonjy aina no atao ka tsy tokony iandrasana ny havan’ny marary hahita vola izany fa mba ho maimaim-poana”. Tena fitsinjovana vahoaka izany saingy tonga amin’ilay hoe “manao soa tapany ihany”.

Marina fa tsy ny fitondrana Rajoelina no namorona ny fampandoavam-bola ny marary raha miditra amin’ny hopitalim-panjakana na ny tobim-pitsaboana (CSB) tantanin’ny fanjakana fa baiko avy amin’ny Banky Mondialy io, ary farafahakeliny, efa 30 taona izao no nampiharana azy io.

Dia manitikitika ny saina ny hoe “ka avela ho faty ho azy ange izany ny vahoaka e !”. Izany mihitsy. Miandry ny fitahian’Andriamanitra.

Izany no nahatonga ny fitondrana Zafy Albert, ohatra, nametraka ho ara-dalàna ny toby fivarotam-panafody fototra antsoina hoe “depot de medicaments” tany ambanivohitra tany satria any amin’ny renivohitry ny kaomina, 20 na 25 km miala ny toeram-ponenan’ny marary vao misy fivarotam-panafody “farmasia”. Nahavonjy vahoaka tokoa ireny tobim-pivarotam-panafody ifotony ireny na tsy maintsy novidiana aza ny fanafody. Tsy voatery nividy ny fanafody iray fonosana (boaty) satria mety tsy ilain’ilay marar avokoa ny iray fonosana, nefa raha amin’ny farmasia dia tsy maintsy iray fonosana no vidiana.

Noho ny halaviran’ny toeram-ponenan’ny marary raha miohatra amin’ny famrasia dia niandry fahafatesana araka izay fitahian’Andriamanitra tany an-tranony ny marary. Toraka izany koa ny fahalaviran’ny tobim-pitsaboana na “dispansera”, mainka moa fa “hopitaly”. Ankoatra ireny, ny saram-pizaham-pahasalamana (soin) sy ny saram-pitsaboana (traitement) ary ny vidim-panafody koa dia manampy trotraka na hopitalim-panjakana aza.

Ny fanadihadiana teto an-drenivohitra izao tato ho ato dia nahafantarana fa maro ny marary voatery miala ny hopitaly itsaboana azy satria tsy zakan’ny vola eo anivon’ny fianakaviana ny hoenti-mitsabo.

Marina fa misy ny Tahiry manokana antsoina hoe “fonds d’equité”, hoy ny mpitantana ny Hopitalim-panjakana etsy Andohatapenaka fa voafetra ihany ny ahafahana mampiasa azy io. Io Tahiry  io mantsy no iantohana ny fitsaboana mba ho maimaim-poana fa tsy ny fitsaboana rehetra, hoy izy. Izay no mahavoatery ny marary sasany mitsoaka ny hopitaly itsaboana azy satria tsy misy vola.

Izahay dia mahita fa raha tena mahay mikatsaka ny tena tombontsoam-bahoaka ny fanjakana dia tsy andoavam-bola ny fitsaboana rehetra sy ny fanafody amin’ny hopitalim-panjakana. Mbola isan’ny antoka hampahomby izany ny fahaizan’ny fanjakana mifototra amin’ny harem-pirenena fa ny ankoatra izay dia fanjakana tsy miahy vahoaka.

Ralay

Lire aussi