La Gazette de la grande ile

INTY SY NDAY : ODOF-n’Ambatovy sy Qmm no maika

Publié le 20 octobre 2021

Voizin’ny minisitry ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Edgard Razafindravahy, aoka izany ity tarigetrra iray nosoritana tato anatin’ny roa taona ity, dia ny “ODOF” izany. Inona moa ny “ODOF”? Fanafohezana ny hoe “One District, One Factory” na “Distrika iray, orin’asa iray”. Tsy hoe orin’asa iray ihany no tokony hisy ao amin’ny distrika iray fa raha kely indrindra dia isa-taona misy orin’asa iray mijoro isaky ny indostria. Manara-maso akaiky ny fampanjariana an’izany ny maro, ary mampifandray avy hatrany ny hitany amin’ny maha-mpandraharaha ara-toekarena ny Minisitra Razafindravahy koa.

Ny fananganana orin’asa aloha, tsy tokony hadinoina, dia miankina amin’ny akora fototra (matière première) ahodin’ilay orin’asa. Izay no fahadisoana tamin’ny fiandohan’ny Repoblika faharoa, tamin’ilay “fampiasam-bola mihoa-pampana” (Investissement à outrance). Maro ny orin’asa natsangana saingy ny naka ny anjaran-dry zalahy no nahamaika an’ireo manam-pahefana ara-panjakana ka tsy nahoany akory na orin’asa tsy afaka hihodina aza no najoro. Ny orin’asa fanamboarana lafarina (Kobama) tao Andranomanelatra Antsirabe, ohatra, tamin’ny fotoanandro dia zara raha misy varim-bazaha azon’ilay orin’asa nahodina nandritra ny roa volana teto. Varim-bazaha mantsy no akora fototry ny Kobama. Ny Hodima tany Ambositra koa dia tsy nihodina akory. Toraka izany ny Zeren fanaovana zezika sy ny maro hafa.

Ka raha tena matotra ny tarigetran’ny “ODOF” dia atombohy amin’ny fanavaozana an’ilay fifanaraham-piaraha-miasa tamin’Ambatovy sy ny QMM ny resaka e! Sady havaozina ny anjaran’ny firenena Malagasy amin’ny vokatra miakatra (mba tsy 1 na 2% intsony), fa tsy azo hamaivanina na lalovam-potsiny koa ny fampananganana orin’asa manodina ny akora avy amin’ireo tetik’asa ireo aloha. Goavana ange ny tombontsoan’ny firenena ho azo raha misy orin’asa manodina ny fasimaintin’ny Qmm vao miondrana e!

Tsy manamaivana ny fampirisihana ny tantsaha hanangana “taninketsan’ny indostria” toy ny fanodinana ny voanjo ho menaka na fanodinana ny katsaka ho koba izany. Maro ny akora tsy voahodina eto, ary ny tantsaha dia tsy mpanangana orin’asa na mpitantana orin’asa indostrialy fa mpamokatra akora fototra. Ny mpampiasa vola izany no ampirisiho hanangana orin’asa. Izay orin’asa efa mijoro koa anefa, samia miezaka miaro azy. Tsy voatery hanampy ara-bola an’ireny orin’asa ireny ny fanjakana raha miaro azy ireny. Ohatra iray amin’izany ny fitanana ho 20% ny haban-tseranana takiana amin’ilay savony “bondrillons” miditra eto. Isan’izany ny fanaraha-maso akaiky ireo entana miditra eto mba  hanaraka ny fenitry ny varotra, satria indraidray na ny baoritra itoeran’ilay vokatra avy any ivelany aza tsy fantatra hoe inona ny entana ao, avy aiza ilay izy, inona ny orin’asa nanamboatra azy, azo ampiasaina hatramin’ny rahoviana…? Nefa dia ireny matetika no manimba ny entana vokarin’ny indostria efa misy eto ka zary mamotika azy ireny. Firifiry akory izay orin’asa indostrialy nijoro teto izay fa ny an’ny vahiny sisa miangana, amin’ny ankapobeny. Dia hoe tsy misy mahay mitantana indostria ve ny Malagasy?

Ralay

Lire aussi