La Gazette de la grande ile

Governoran’i Betsiboka : diso fanantenana ny vahoaka

Publié le 20 octobre 2021

Very fanahy mbola velona ny vahoakan’i Betsiboka. Raha tsiahivina dia nandritra ny filankevitry ny minisitra farany tamin’ny herinandro lasa teo no voatendry ho governoran’ny Faritr’i Betsiboka i Jean Roger Randrianjafinindrina. Roa taona mahery no niandrasan’ny mponina any an-toerana ny governorany, saingy tsy araka ny niheritreretana azy ny zava-niseho. Olona tena vonona hiasa ary mitovy fijery amin’ny filoham-pirenena no nandrasan’ny vahoakan’i Betsiboka, indrisy anefa fa mifanohitra amin’izany masotsivana takian’ny vahoaka izany ity governora vaovao ity.

Tsara marihana fa tsy olom-baovao any Betsiboka mihintsy ingahy Jean Roger fa efa lehiben’ny faritra tamin’ny andron’ny Tetezamita, ary efa depioten’ny distrikan’i Tsaratanana ihany koa. Efa fantatry ny mponina any an-toerana tsara ny fitondran-tena sy ny toetran’io governora vaovao io. Fanararaotam-pahefana, fitiavam-bola tafahoatra, fanaovana ampihimamba sy tantely afa-drakotra ny harena ao amin’ny faritra, ireo no santionany amin’ny antony tsy hankasitrahan’ny vahoakan’i Betsiboka ny governora Jean Roger. Efa hita izany tamin’ny fotoana na lehiben’ny faritra sy solombavam-bahoaka azy. Ankaotra izay, tsy dia mahay mifandray amin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry any an-toerana ihany koa ny tenany.

Tsy vitan’izay ihany voasaringotra tamina raharaha fanodikodinana fiara 4×4 sy vola an-jatony tapitrisa maro teo anivon’ny faritra koa i Jean Roger tany aloha tany. Manoloana izany rehetra izany dia manaitra ny filoham-pirenena ny vahoakan’i Betsiboka mba hanolo ity governora vao notendrena ity, indrindra fa ireo mpanara-dia ny filoha hatramin’izay. Maro amin’ny zanaky ny faritra hoy izy ireo no manam-pahaizana sy traikefa, afaka mitantana tsara ny faritra.

F.Tsihiavonana

Lire aussi