La Gazette de la grande ile

Gérard Andriamanohisoa : Mpiara-miasa amin’ny mpangala-bola

Publié le 20 octobre 2021

Notendren’i Gérard Andriamanohisoa  sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika ho mpanolotsaina  ramatoa Olivia Ratsiferana izay tale jeneralin’ny SEIMAD ( societe d’équipement immobilier de Madagascar) teo aloha sady anabavin’ingahy Hugue Ratsiferana izay voarohirohy tamin’ny fanodikodinana vola tamin’ny Air-Mad teo aloha koa.  Talanjona tanteraka ny mpanaraka ny vaovao raha nahita ity ramatoa ity voatendry olona ambony indray. Ity Olivia Ratsiferana ity izay voarohirohy amin’ny fanodikodinana vola mitentina “500 milles dolar” na 2 000 000 000 ariary na (2 miliara ariary tao amin’ny Seimad tamin’ny andron’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.  Ny mpiasan’ny Seimad izay navoriny tamin’ny talata faha 18 oktobra 2021 teo dia tezitra no gaga noho ity fanendrena ity satria hatramin’izao fotoana izao dia mbola mitohy ny fanadihadiana ny vola lany io izay ataon’ny zandarimaria eny Fiadananana.  Marihina fa ity vola voahodikodina voalaza etsy ambony ity dia tafiditra tamin’ny fanamboarana ny trano izay nataon’ny Seimad teny Andohatapenaka izay tsy vita hatramin’izao. Hatrany amin’ny Firenena mikambana no mitory izao fanodikodinana vola izao.

Ingahy Gérard Andriama-nohisoa izay miandraikitra ny trano fonenana sy ny tanàna vaovao ity dia isan’ny tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahavitan’ny tanàna vaovao Tanamasoandro teny Ambohitrimanjaka. Ity olona ity izay mpiara miasa akaiky tamin’ingahy Hery Rajao-narimampianina koa  teo aloha ary HVM ( hery vaovao ho an’i Madagasi-kara) sy TIM  an’i Ravalomanana Marc nivadika ihany koa.

Feno olona maloto noho izany ny fanjakan’ingahy Rajoelina. Lany olona. Mampalahelo !

Jesy Rabelaolao

Lire aussi