La Gazette de la grande ile

Groupe Wagner : Efa tonga eto Madagasikara

Publié le 22 octobre 2021

Iray amin’ireo vaovao misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tato ho ato, ary tsy zakan’ny governemanta frantsay mihintsy ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana malianina sy ireo miaramila mpikaramanady rosianina Wagner. Mahatsapa mantsy ry zareo Malianina fa tsy dia ahitàna fahombiazana firy ny fiaraha-miasa amin’ny tafika frantsay amin’ny ady atao amin’ireo silamo mpampihorohoro any aminy ka nanapan-kevitra ny hiara-hiasa amin’ny miaramila rosianina indray izy ireo. Tsara marihana anefa fa raha mbola tsy tonga any Mali ny Groupe Wagner, ankehitriny, dia firenena afrikanina maromaro no voalaza fa efa ahitàna ireo mpikaramanady rosianina ireo amin’izao fotoana ary tafiditra ao anatiny i Madagasikara.

Araky ny tatitra navoakan’ny sampana mpikaroka vaovao amerikanina Bloomberg, tamin’ny volana marsa lasa teo, dia firenena miisa efatra no misy ny Groupe Wagner amin’ny fomba ofisialy dia i Lybie, Repoblikan’i Centrafrique, Soudan ary Mozambique. Etsy ankilany, maromaro ireo firenena no efa misy an’ireto mpikaramanady rosianina ireto, saingy tsy amin’ny fomba ofisialy fa afenina. Tsy iza ireo firenena ireo fa i Zimbabwe, Afrika atsimo, Angola, Guinée Conakri, Guinnéé Bissau ary i Madagasikara araka ny efa voalaza tery ambony. Hatreto aloha dia tsy mbola namoaka fampitam-baovao mikasika izany mihintsy ny fitondram-panjakana malagasy kanefa efa tamin’ny taon-dasa no voalaza fa misy eto amintsika ny Groupe Wagner.

Tsara marihana fa ao anatin’ny geopolitika rosianina amin’izao fotoana ny fidirana an-tsehatra bebe kokoa aty amin’ny kaontinanta afrikanina, ary tafiditra ao anatin’ny drafitr’izy ireo ny fampidirana miaramila amin’ny firenena maro aty Afrika. Ny fanontaniana mipetraka moa eto dia ny hoe : « inona no tena tanjon’ireo mpikaramanady rosianina eto amintsika ireo, ary maninona no afenin’ny fanjakana ? »

F.Tsihiavonana

Lire aussi